Vehivavy 24 taona hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Manambolosy, distrikan’i Mananara Avaratra, afakomaly. Nofatoran’io renim-pianakaviana io tamin’ny hazon-tafo ny lamba mahazaka tao aminy. Nahodiny tamin’ny faritry ny tendany izany. Nanampitra ny ainy io tady nahantony io. Mponina manodidina azy ireo no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa. […]
Taratra
Tsy fandriampahalemana : Mirongatra ny hala-boty isan-karazany
Mirona amin’ny fanaovana hala-boty isan-karazany ny ankamaraon’ireo mpanao asa ratsy any amin’ireo kaominina maro samihafa eto amin’ny Nosy. “Nirongatra izany tao anatin’ny iray volana izay, ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo manokana”, hoy ny solombavahoaka voafidy any an-toerana, Rakotoarisoa Johnny. Anisan’izany, ny halatra akoho, kisoa, omby, mangahazo sy ny maro hafa. Vao nahitana […]
Nandroba 8 tapitrisa Ar : Roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika
Naleon’izy roa lahy nigadra toy izay nanambarana izay nanafenana ny vola. Nanafika mpanao Cash point, teny Alasora izy ireo. Nandalo fampanoavana, ny faran’ny herinandro teo, ka naiditra am-ponja vonjimaika. Nifanenjehan’ny fokonolona sy ny zandary, roa lahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana Cash point teny Androka, kaominina Alasora, tra-tehaka ny 5 febroary teo. Nitondra […]
Fivarotana nosy amin’ny Emiratis : Nodisoin’ny fanjakana ny vaovao miely
Namoaka fanambarana mandà marindrano ireo lainga aparitaka amin’ny tambajotra sosialy, milaza ny fivarotana ireo nosy maromaro manodidina an’i Nosy Be amin’ny mpampiasa vola vahiny, Emiratis, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nohitsin’ny fanambarana fa tsy misy fangatahana voaray na fifanarahana nosoniavin’ny fanjakana malagasy ho an’ny […]
Loholona Rakotondrazafy Lalatiana : “Mariky ny fahatokisana no nanendrena ahy”
Voatendrin’ny filohan’ny Repoblika ho loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Naneho ny heviny avy hatrany ny tenany, manoloana izany. “Mariky ny fahatokisan’ny filohan’ny Repoblika no nanendrena ahy”, hoy ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny lanonana nametrahana samboady azy teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Anosy, omaly. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny […]