Taratra

Mpitondra sy ny Pretra : “Iraka iombonana ny asa fanompoana “

Nanome voninahitra ny la­mesa lehobe sy niaraka niombom-bavaka, tamin’ireo mpino tao amin’ny Akany Maharivo Ambositra, nandritra ny fanamasinana ho Pretra, ny Kolo­nely Rampanarivo Thierry, mpanolotsaina Avon’ny Fana­vaozana, no sady nisolo tena ny filohan’ny Fanavaozana. Nasongadiny nandritra ny fandraisany fitenenana fa iraka iombonana ny fanompoana, na ho an’ny pretra izany, na ho an’ny mpitondra. […]

Tsy hifandimby any am-ponja

Lasa nikopak’elatra any ivelany indray izany ny filoha sy ny delegasionina tarihiny. Nahazo fanasana manokana mihitsy izy amin’ny fety aman-danonana izay ho hatrehiny. Mazava ho azy fa fankatoavana tsy misy mihoatra izany. Manana ny toerana maha izy azy ny mpitondra malagasy. Manana ny lanjany diplaomasia an’ny Malagasy. Heni-kaja heni-boninahitra ny […]

Hosoka sy fanodinkodinam-bola… : Hotsarain’ny fitsarana tampony, i Sahondrarimalala Marie Michelle

Anisan’ireo voampanga amin’ny raharaha fanodikondinam-bola ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Hotsarain’ny Fitsarana an-tampony izy. Namoaka fampahafantarana ofisialy ny eo anivon’ny Pac, omaly fa anisan’ny voarohirohy amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ity minisitry ny Fanabe­azam-pirenena teo aloha ity. Ahina hahavoasaringotra ny filoham-pirenena teo aloha sy ny fianakaviany akaiky iray koa izany, araka […]

TSELATRA

Voan’ny bala teo amin’ny tananany ny iray tamin’ireo telo mianaka avy nivarotra voaroba tao Ambaniavaratra, distrakan’i Fandriana, afakomaly. Lasan’ny jiolahy ny vola maty tany an-tsena sy finday. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay naratra. Tsy nisy aina nafoy. Mpanao sinto-mahery roa lahy voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny UIR tao Mahajanga, afakomaly. […]

Nahatrarana bala 13 isa: Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Lavon’ny tifitra nataon’ny polisy ny jiolahy raindahiny ikoizana amin’ny asa fangalarana sy fanafihana tao Am­bositra, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny, nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana izy. Nizotra avy amin’ny lalana mihazo amin’ny tsenan’omby tao amin’ny fokontany Anka­zotokana ilay jiolahy. Taorian’ ny nahitana ny fihetsika hafahafaha nataon’ity farany. Nampitsahatra […]