Taratra

Filana amin’ny fiovan’ny toetr’andro: Mampiroborobo ny fiveloman’ny vahoaka ny fambolen-kazo

Ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo tanteraka isika izao. Maro ny olona, fikambanana, sy ny maro hafa efa nahavita izany. Tanjona ny hamerenana ny ala may eto Madagasikara. Ao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana, tena tsara indrindra hambolena hazo isika izao. Ho an’ny eto afovoantany, efa maro ny fikambanana, ny fiangonana, ny orinasa ary […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanampy amin’ny famokarana herinaratra amin’ny RIA ny tetikasa « Tana Medium Ring ». Hanangana zotra mpitatitra herinaratra 90KV, mirefy 193 km, ny tetikasa. Hamafisina ireo zotra efa misy ka hatsangana ny « sous-stations » miisa 8 ao Antsipolitra, Antsirabe I, Antanifotsy, Behenjy, Tana Sud II, Ambohijanaka, Tana Ouest II, ary Imerintsiatosika. Hiasa manomboka amin’ity […]

Tambajotra Soa: Tohana nanatsarana ny famokarana

Mikendry ny hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Ma­dagasikara ny tetikasa Sanbonai. Miara-miombon’antoka amin’ny fikambanana Mpamboly frantsay sy fampandrosoana iraisam-pirenena (Afdi). Nahazo tohana ny tambajotra Soa, ka voakasiky ny tetikasa ny faritra Anala­manga, Bongolava ary Itasy. Nambaran’ny filohan’ny tambajotra Soa, Razafimbololona Angéline, fa “paikady notratrarina ny vahaolana hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro. […]

Hampiakarana ny voka-bary: Nahazo ny masomboly safiotra i Vakinankaratra

Tafiditra ao anatin’ny paikady hampitomboana 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary eto amintsika ny fampiasana ny masomboly safiotra. Nahazo ny anjarany i Vakinankaratra. Taorian’ny tany Alaotra, natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny ma­som­boly vary safiotra, ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Mi­isa 70 ny kaoperativa tantsaha nahazo ny anjarany, miaraka amin’ny […]