Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Nahatafiditra baolina voalohany ho azy i Rayan Raveloson, Malagasy mpilalao baolina kitra ao amin’ny BSC Young Boys Suisse, afakomaly. Tsiahivina fa nandresy 6 no ho 1 ny ekipan’i Rayan, raha nifandona tamin’ny Yverdon Sport. Marihina fa ity izany no lalao fahatelo natrehan’i Rayan Raveloson hatramin’izay nifindrany toerana izay. Hotanterahina manomboka […]

Futsal vehivavy : Handray anjara amin’ny Can ny Barea Ladies

Hotanterahina any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano, “Can Futsal 2025”, sokajy vehivavy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no handraisan’i Madagasikara anjara amin’izany. Nilaza ny eo anivon’ny Fe­de­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa efa dingana […]

Muay Thai – Federasiona : Vonona hampivelatra ny taranja

Nankalazaina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny taranja Muay Thaï. Ho an’i Madagasikara manokana, mbola hisy ny fankalazana izany amin’ity volana ity. Nambaran’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Muay Thaï fa vonona izy ireo hiara-kiasa sy hampivelatra ny taranja. Tafiditra ao anatin’izany ny fanitarana ny taranja manerana ny Nosy, anisan’izany ny […]

Tsipy kanetibe – « PPF 2025 » : Nanainga omaly ny ekipa malagasy

Vonona ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny « Passion Pétanque Française » (PPF 2025). Nanainga herinandro mialoha ny fanombohan’ny fifaninanana ry zalahy, ho fanomanantena amin’izany. Nihazo an’i Frantsa, omaly, ny ekipa malagasin’ny tsipy kanetibe, hiatrika ny « Passion Pét­an­que Française » (PPF 2025). Fifaninanana tanterahina any Aix en Provence, ao […]

FANTINA sy FINTINA

Notakin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny hitaterana ao anatin’ny fotoana fohy ireo fitaovana rehetra ilaina hanatontosana ny fihaonana an-tampon’ny COI, hatao eto amintsika ny volana avrily izao. Hifarimbona amin’izany ireo minisitera sy ny governora ary ny ben’ny Tanàna… Nirary soa ny filoha nasionalin’ny Tim, […]