Taratra

Moto nifandona : Lehilahy iray maty, iray hafa tsy mahatsiaro tena

Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tetsy amin’ny Digue Ambohitrimanjaka, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Moto roa, scooter sy moto routière no nifandona ka nitarika ny loza. Niseho teo amin’ny fokontany Andramiarana, kaominina ambanivohitra Antehiroka, tsy lavitry ny tetezana mihazo ny kaominina Ambohitrimanjaka ity tranga ity. Niray lalana ireo kodiaran-droa ireo fa niova […]

Fanararaotana ara-nofo : Zazavavy telo taona maty niharan’ny fanolanana

Mirongatra izaitsizy ny tranga fanolanana. Zaza vao telo taona niharan’ny fanararaotana ara-nofo. Karohina ny nahavanon-doza. Namoy ny ainy vokatry ny fanolanana nahazo azy ny zazavavy kely iray 3 taona, omaly tamin’ny 6 ora maraina. Nahazo antso mahakasika izany avy amin’ny lehiben’ny CSB II tany an-toerana ny tobim-paritry ny zandarimaria Mahambo, […]

Sekolin’ny rugby : Hatao anaty rafitra ara-dalàna

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Malagasy Rugby ny fampiroboroboana ny baolina lavalava eny ifotony. Araka izany, nanao fanambarana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ity rafitra voalohany miahy ny rugby eto Madagasikara ity. Manomboka izao, hatao anaty rafitra ara-dalàna ireo fikambanana rehetra na sekoly mampianatra sy mitaiza ankizy amin’ny baolina […]

Antoko Fivoi : Miantso ny hanatanterahana ny fifidianana sefo fokontany

Zava-dehibe ho an’ny mponina eny ifotony ny fifidianana sefo fokontany, noho izy io iankinan’ny fiainan’ny maro. Angatahan’ny antoko Fivoi ny hanaovana izany haingana. Mangataka ny hanafainganana ny fifidianana sefo fokontany ny an­toko politika Fivoi, nandritra ny fam­pahafantarana ireo depiote sy ben’ny Tanàna voafidy re­hetra teto Madagasikara, omaly, tetsy Imerintsiatosika. “To­kony […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny andro fahadimy ny sabotsy 8 sy alahady 9 febroary izao ny fiadiana ny ho tom­pondakan’Analamanga, taranja volley-ball. Ny sokajy Jeunes ihany no hanohy ny fifaninanana amin’io faran’ny herinandro io. Nofoanana kosa ny an’ny sokajy 1D sy 2D noho ny fisian’ny « match de défi » karakarain’ny federasiona. Mitohy amin’ity faran’ny […]