Taratra

TSELATRA

Notanana am-ponja, afakomaly, ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana teny Ambohidrazaka, Alasora. Niray tendro tamin’ny fanatanterahana io asa ratsy io, ny 26 jolay lasa teo ireo olona ireo. Mpitondra moto marika G5 maty tsy tra-drano teny amin’ny lalam-pirenena voalohany PK10+100, ny 8 aogositra lasa teo. Nandeha mafy ilay lehilahy nitondra moto […]

Ambohitsaratelo Ampitatafika: Nahitana tongotra zazakely efa nohanin’ny alika

Nahita tongotra zazakely, efa simba tanteraka teny amin’ny sakelin-tanànan’Ambo­hi­tsa­ratelo, kaominina Ampi­tatafika, omaly folakandro. Efa nohanin’ny alika izany. Mbola hita teny an-toerana ny akanjo sy ny lamban-jaza. Rehefa natao ny fisavana ny manodidina dia tsy nahita ny ambin’ny vatany intsony. Ireo tongotra roa sisa no tavela teo. Nidina teny ifotony, taorian’ny […]

Anosimasina-Kaominina Bemasoandro : Mpianaka niara-maty, samy voatifitra teo amin’ny lohany

Maty voatifitra teo amin’ny lohany ny mpianaka, monina eny Anosimasina Itaosy, tamin’ny sabotsy. Tsy misy mipika ny fanadihadiana. Nilaza kosa ny mpitandro filaminana fa miresaka volabe amina miliara, ny taratasy hita teo amin’ny razana. Mpianaka niaraka maty hitan’ny mpitandro filaminana tao amina to­kantrano iray teny Anosima­sina, kaominina Itaosy, afakomaly maraina. […]

Kongresy tao Ambatondrazaka : Mitaky ny fahadiovan’ny fitantanana ny HVM

Nifarana omaly ny kongresim-paritry ny antoko HVM, natao tany Ambatondrazaka. Anisan’ny nitondrana hevitra tamin’izany ny momba ny fiainam-pirenena. Nanao fitakiana maromaro ny ekipan-dRajaonarimampianina Hery. «Mitaky ny fahadi­von’­ny fitondrana izahay. Takinay koa ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna, ny fahadiovan’ny fifidianana, ny fahadiovan’ny fitantanana raharaham-pirenena », hoy ny filoha nasionaly, Rakotovao Rivo, tamin’ny […]