Taratra

Corentin Martins : Lasa nitily ireo Malagasy mpilalao any ivelany

Herinandro androany no nahavoatendry an’i Corentin Da Silva Martins ho mpanazatra ny Barea de Madagascar. Taorian’izay, nijanona andro vitsy teto an-toerana izy ary nijery ireo fihaonana samihafa teny amin’ny Kianja Elgeco Plus, ny sabotsy lasa teo. Nitodi-doha any Frantsa ny lehilahy, omaly, ary hijery sy handresy lahatra ireo Mala­gasy mpilalao, […]

«World Cola PFL» : Hafana ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus sy ny Cosfa

Hiverina manomboka ny sabotsy ho avy izao ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Nahazo mpanohana vaovao ny fifanintsanana ka lasa “World Cola PFL” ny anarany amin’ity taom-pilalaovana ity. Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy io, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World […]

Nikasa hividy basy: Saron’ny zandary i Voamba mpanao fanafihana

Saron’ny zandary tao Toa­masina, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana, fantatra amin’ny anarana hoe i Voamba. Avy any Am­bovombe Androy izy saingy tonga manao ny asa ratsiny ao an-drenivohitry ny faritra Atsi­nanana. Maro ny fanafihana efa vitan’ity jiolahy ity ary niaiky izany rahateo izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary azy. […]

Fiaraha-miasa: Hanohana ny fambolena sy ny angovo i Suède

Nandray ambasadaoro roa ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nivoitra tamin’izany ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny masoivoho no­raisin’ny filohan’ny Re­po­blika i Mette Sun­nergren, hisahana an’i Mada­ga­si­kara sy i Mozam­bika. Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny haitao […]