Taratra

Ady amin’ny famarinana olombelona: Niakatra sokajy faharoa i Madagasikara, mitohy ny ezaka

Efa mivoatra amin’ny tsara hatrany ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny famarinana olombelona. Miara-dia amin’i Madagasikara ny amerikanina amin’ity ady ity. Nisondrotra tamin’ny sokajy 2 amin’ny maridrefy iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny famarinana olombelona i Madaga­sikara, araka ny tatitra navoakan’ny departemantam-panjakana amerikana tamin’ny taona 2025. Marihina fa nijanona nandritra […]

Sorakanto : Nodimandry i Sitraka « La Vérité »

Folaka an-dantony… Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Very namana, mpikambana mavitrika ny fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, Sorakanto. Nodimandry teo amin’ny faha-36 taonany i Sitraka Rakotobe. Niasa tao amin’ny gazety La Verité no tena nahalalan’ny maro azy, nahazoany ny anarana Sitraka La Verité. Nanovo traikefa sy nanomboka asa […]

« Zara Lalao 2026 » : Roa andro hampiainana ireo lalao malagasy

Fampitana, fanabeazana, fanampiana ary fanohanana ireo zaza malagasy. Izay no tanjona ankapoben’ny fikambana Sombiny Haiko, araka ny fanazavana nomen’izy ireo tetsy amin’ny Ivokolo Anala­kely, omaly. Ho fanatanterahana izany, maro ireo hetsika efa notontosaina sy mbola tetikasa homanin’ny fikambanana. Akaiky indrindra amin’ izany ny «Zara Lalao 2026», hatao ny 15 sy […]

Kolontsaina, finoana : Hihaona ny taranak’ Ambohimamory

Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Am­bohimamory. Tsy avelan’ny taranaka, fianakaviana, ankohonana ho very izany fa misy hatrany ny fihaonana eo amin-dry zareo. Hifankahalalana, hifampitana vaovao sy hafatra, hana­tsarana an’Ambohimamory sy ny vakoka misy eo aminy. Iray amin’ireny toerana na faritra na trano manan-tantara ireny ny FJKM Ambohimamory Orimbato. […]

Jazz@Tohatohabato : Andrasana fatratra ny « Grande scène » rahampitso

Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fandaharam-potoana. « Jazz Kids » narahin’ny « Jazz VIP ». Nodimbiasan’ny « Jazz Quartier ». Seho roa lehibe no andrasana anio sy rahampitso. Anio, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, eo amin’ny tohatohabaton’ Antaninarenina. «Jazz Street» na ilay sehatra malalaka hanana endrika fifanakalozana ho an’ny […]