Hita afakomaly maraina tamin’ny 11 ora atoandro, tao anaty rano ny vata-mangatsiakan’ny tovolahy 17 taona, antsoina hoe: Sasah. Maty nalentiky ny rano tany Andranobevava Nanganehana Sambaina, distrikan’i Manjakandriana izy io, ny talata lasa teo. Nilomano tao amin’io rano io izy ny talata tamin’ny 2 ora tolakandro. Tsy nipoitra intsony anefa […]
Taratra
Fandrobana tetsy Amboditsiry : Namidin’ilay mpiambin-tanàna 5 tapitrisa Ar ny basy
Olona telo nosamborin’ny polisim-pirenena noho ny halatra niaro famarotana fitaovam-piadiana mahery vaika, teny 67 Ha, afakomaly. Namidin’ilay mpangalatra 5 tapitrisa Ar ny basy. Tra-tehaky ny polisim-pirenana eo anivon’ny sampam-pikarohana heloka bevava teny 67 Ha ny lehilahy iray nangalatra fitaovam-piadian’ny mpampiasa azy, afakomaly. Nitrangana halatra tao amin’ny tranon’olon-tsotra iray teny Amboditsiry, […]
Rivodoza Jude : Manao tampody fohy
Niverina indray ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, halina na anio maraina, ilay rivodoza Jude rehefa avy any Mozambika. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Morombe sy Saint Augustin izy, rahampitso tolakandro, amin’ny tanjaka Tempête tropicale moderée (80 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy). Manoloana izany, entanina sahady ny mponina amin’ny faritra sy […]
Sandwatch sy kit Mad’ErE : Nisitraka fiofanana ny mpampianatra any Menabe
Nisitraka fiofanana mahakasika ny fandaharanasa “Sandwatch sy Kit Mad’ErE” ny mpampianatra any amin’ny faritra Menabe, tamin’ny herinandro lasa teo. Nahazo izany ny mpampianatra avy amin’ny sekoly dimy ao amin’ny Cisco Morondava. Ankoatra izay, samy notolorana fitaovana Kit Sandwatch sy Kit Mad’ErE avokoa ny sekoly dimy ahitana ny CEG Centre, CEG […]
INDRAY MIJERY
-22,2% ihany ny vehivavy mpianatra miofana araka asa eny amin’ny sekoly ambony politeknika, araka ny fanadihadiana nataon’ny cabinet Fred Ingeneering sy ny cabinet Miarintsoa ny taona 2024. Fiofanana momba ny olana sedrain’ny vehivavy miasa amin’ny fanaovan-dalana izany. Rehefa tonga ny fahavaratra, anisan’ireo faritra andalovan’ny rivodoza sy tratry ny orambe ny […]




