Mitarika ny delegasiona malagasy any Etazonia, amin’ny fivoriambe andiany faha-69 ny komity misahana ny anjara toeran’ny vehivavy ao anatin’ny Firenena mikambana na CSW69 ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Vehivavy tomponandraikitra maneran-tany no manao tombana ny fanatanterahana ireo fanamby natao tany Beijing, 30 taona lasa izay. Dinihina […]
Taratra
Hanarenana ny tsy fahampian’ireo am-perinasa : Tohanana ny vehivavy misahana ny asa fanaovan-dalana
Tetikasa telo: Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive (PCMCI), Projet de Développement Durable du secteur Routier à Madagascar (PDDR) ary ny projet d’Appui à la Connectivité des Transports (PACT) nanaovana fanadihadiana. Ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy misahana faritra 12, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ahafahana mamantatra ireo sakana tsy ahafahan’ny vehivavy […]
Ceni : Hanao fifidianana loholona
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ny mpampakateny, Soava Andriamarotafika, fa eo am-pandrafetana ny hanatontosana ny fifidianana ireo ho loholona izy ireo. Natsidiny fa tokony hotanterahina ny novambra amin’ity taona ity izany ary tokony ho tafapetraka ny fiandohan’ny taona 2026 ny mpikambana handrafitra ny Antenimierandoholona. Efa ho tapitra ny fe-potoam-piasan’izy ireo. […]
Jly Ravalomanana Richard: “Havaozina ny rafitry ny fandriampahalemana”
Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosikely, ny solontena manokana avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), Alice Nzomukunda, omaly. Noresahina tamin’izany ny atrikasa momba ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny lafiny fandriampahalemana sy ny filaminana, kasain’ny UA hatao eto Madagasikara. Niantsoan’izy ireo ny Jly Ravalomanana Richard izany mba […]
Fako sy ny fifamoivoizana: Miara-miasa ny MFFT sy ny CUA ary i Japon
Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny delegasionina Japoney, eo anivon’ny Jica. Anisan’ny niompanan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny hijerena ny fanatsarana an’Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ilay tetikasa lehibe iarahana amin’ny masoivoho japoney ho an’ ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica) momba ny […]




