Taratra

Volley Afrika- sokajy lehilahy: Hanoman-tena mafy ny GNVB

Taorian’ny niatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball, natao tany Maorisy farany teo, tafakatra hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball), sokajy lehilahy. Fifaninanana izay hatao any Lybie, ny 17 hatramin’ny 30 avrily izao. Nambaran’ny filohan’ny klioban’ny GNVB, […]

Seksiona marovatana: Hiatrika famaranana ny Polisy monisipaly

Tontosa ny alahady 9 marsa teo, tetsy amin’ny Kianja Malacam Antanimena ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona marovatana, taranja rugby. Tafita hiatrika ny famaranana ny Polisy monisipaly Antananarivo Renivohitra. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 11, ny Zaami Ankasina. Nambaran’ny kaomisera Ostrom fa anisan’ireo taranja misy ao amin’izy […]

Komity mpanatanteraka anivon’ny Caf: Kandidà Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF

Anisan’ireo anatin’ny lisitra hofidina ho komity mpanatanteraka eo anivon’ny Caf Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Andrasana anio ny vokatra. Hotanterahina anio, any Le Caire renivohitr’i Egypte, ny fifidianana izay ho filohan’ny Kaon­federasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) sy izay ho komity mpanatanteraka. Kandidà tokana ho laniana amin’ny tehaka […]

TSELATRA

Ravan’ny zandarimaria avy ao amin’ny bori­gadin’Andoharanofotsy ireo tambajotra mpamaky trano sy mpangalatra moto. Nahitana lehilahy efatra niaraka tamin’ireo entana nangalariny sy efa nolokoiny avy. Mpisera finday halatra, mpandoko moto, mpividy halatra ary mpiray tsikombakomba. Nisy namaky ny trano iray tao Andoharanofotsy, ny alin’ny 11 hifoha 12 febroary 2025 lasa teo. […]

Lakana rendrika ; renim-pianakaviana iray namoy ny ainy

Renim-pianakaviana iray 26 taona, manambady, ma­nan-janaka kely, namoy ny ainy vokatry ny faharendrehan’ny lakana tetsy amin’ny Fasan’ny karana miampita ny fokontany Ankazotoho Ano­simahavelona, afakomaly tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakany rehefa nokarohin’ny sampana mpamonjy voina, raha naharay antso mahakasika ny tranga izy ireo tamin’ny […]