Taratra

Fanodinkodinana Cocaïne : Zandary fito nalefa eny Tsiafahy

Nohainoin’ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly nandritra ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 11 marsa teo ireo voarohirohy. Zandary miisa fito nalefa eny Tsiafahy ary iray hafa manaraka fitsaboana. Sivily miisa efatra hafa nohazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora izay samy voasaringotra tamin’ny raharaha fanodinkodinana Cocaïne 250 kg. Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra […]

Fanafihana nitam-piadiana: roa lahy nandroba 200 tapitrisa Ar

Dimy mianaka notafihin’ny jiolahy mitam-piadiana tao Antamponivinany Ambositra, ny alin’ny talata 10 marsa teo. Lasibatra ny volabe. Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Antamponivinany Andrefantsena Ambositra, ny alin’ny talata 10 marsa teo. Roa lahy nandroba tokantrano iray fonenan’ny tomponandraikitry ny fikambanana AMMF na « fikambanana Mia­ra-miezaka ho an’ny fampandrosoana ». Niditra an-keriny tao amin’ilay […]

Tsipy kanetibe : Hanomboka ny 15 marsa izao ny taom-pilalaovana

Araka ny tetiandron’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), hanomboka ny sabotsy 15 marsa ho avy izao ny taom-pilalaovana 2025. Homarihina amin’ny alalan’ny fifaninanana ho an’olon-telo miaraka izany. Fihaonana hatao ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao. Tsy toy ny mahazatra fa hampiantrano izany ny kianja vaovao eny Soamandrakizay Androhibe. Mampiavaka […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, ny faran’ny herinandro izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1B sy U16. Anisan’ny hifandona amin’izany ny ekipan’ny ASSM sy ny NBE, eo amin’ ny sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Anisan’ny nitondra ny anjara […]

Rallye – Mada 2024 : Hatolotra etsy Soarano ny amboara

Hotanterahina ny sabotsy 15 marsa ho avy izao, ny lanonana fanolorana ireo amboara ho an’ireo mpandresy sy tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny taom-pilalaovana 2024 eo amin’ny taranja hazakazaka fiarakodia. Raha tsiahivina, voahosotra teo amin’ny sokajy rallye, Andrianjafy Mathieu, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm. Tompondaka lefitra Ratsimbarisoa Herman, avy amin’ny TMF. Raha ho […]