“Manentana ny tsirairay mba ho tonga handatsa-bato. Tongava mifidy ka efao ny adidinao, fa fahefana sy adidy ny mifidy hahazoanao misafidy ny olona hitarika ary hamolavola ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina misy anao”. Io ny hafatry ny filohan’ ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny […]
Taratra
Mahaiza mifidy, hialana ny mangidy
Rahampitso no fotoana! Andao hanao rodobe hifidy. Miandry ny vahoaka malagasy ny hoavin’ny firenena. Ny avy any amin’ny toerana tsy afaka mifidy aza mihazakazaka mamonjy toerana ahazoany mandatsa-bato. Nilaharana ny fakana didim-pitsarana ahafahana misitrika ny zo. Mainka rey olona efa anaty lisitra indray ve vao tsy hifidy? Ben’ny Tanàna […]
Rajoelina Andry : «Olona miasa ho an’ny vahoaka fidiana! »
Mazava ny tondrozotra nomen’ny filoha Rajoelina Andry, halina. ”Olona miasa ho an’ny vahoaka, kandidà manana vina fidiana”, hoy izy mahakasika ny fifidianana hatao rahampitso. Nivahiny tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, ny filoha Rajoelina Andry, omaly alina. Noresahiny nandritra ny dinika ny mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, […]
TSELATRA
Vehivavy iray naratra nianjera avy eny ambony kamiaobe iray, nandritra ny fampielezan-kevitra an’ny kandidà iray teny Andoharanofotsy, omaly. Nihinjakinjaka teo ambonin’ilay fiarabe izy kanjo tratran’ny fihonjonana tampoka ny fiara teny am-pandehanana. Nianjera avy eny ambony fiara izy. Folaka ny tongony ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nitohy kosa ny fampielezan-kevitra na teo […]
Natelin’ny rano: Tovolahy 13 taona hita faty
Natsingevan’ny ranomasina, hita faty omaly atoandro, i Gario kely. Natelin’ny ranomasina tao Toamasina io zaza io, ny alahady 08 desambra teo. Nilalao tahaka ny ankizy rehetra izy. Nisy onja nahery tampoka ka voasinton’ny rano ity zazalahy ity sy ny iray hafa. Nikoropaka niantso vonjy ny nanatri-maso. Nokarohina izy roa lahy […]