Notanterahina tao Ampefy, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana manokana momba ny fitiliana amin’ny alalan’ny mikroskopy ny aretina bilariziozy sy géohelminthiases. Mpiofana valo, voafantina, no nomena traikefa. Singa miisa 760 no nodinihina tsirairay tao anatin’izany. Fiofanana mirindra sy fanaovana fampiharana mihitsy no natao. Nisy ny masontsivana sy tomban’ny ezaky ny […]
Taratra
Toamasina : Lany ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka hampiditra bus
Efa manomboka ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Hampiasa izany koa ny bus fitateran’olona amin’ny sarany zakan’ny daholobe. Manoloana ny fampiakaran’ireo mpitatitra amin’ ny bajaj sy ny posy ny saran-dalana efa ho 2 000 Ar – 3 000 Ar, nolanian’ny filankevitra kaominaly ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka anivon’ny Fiadidian’ny kaominina. […]
Judo-Afrika : Nahazo medaly alimo Rasoanaivo Laura
Medaly tokana tamin’ny alalan-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, no norombahin’ny delegasiona malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natao tany Nairobi Kenya, ny faran’ny herinandro teo. Medaly alimo io azon’i Laura io, teo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg, rehefa nandavo ilay teratany alzeriana, i Rezoug Amina, izy teo amin’ny fiadiana ny […]
Hazakazaka Firaisankina – La vache qui rit : Voalohany i Alain sy Ralisinirina
Tontosa omaly, teto Antananarivo, ny hazakazaka Firaisankina, nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), niarahana tamin’ny Somadis sy ny La vache qui rit. Nandrombaka ny laharana voalohany, teo amin’ny halavirana 15 km, sokajy sénior, lehilahy, Ratsiorisoa Alain, narahin-dRebiby ary fahatelo Andrianina Aina. Teo amin’ny vehivavy, nandrombaka ny fandresena Ralisinirina Marthe. Faharoa, Rasolohelimanana […]
JJB-“Gi Tournament Battle-XX” : Nisongadina ny klioban’ ny Checkmat
Mpikatroka 135 no nifaninana tamin’ny “Gi Tournament Battle-XX”, natao teny Mahamasina, ny sabotsy teo. Nisongadina ny klioban’ny Checkmat. Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana “Gi Tournament Battle-XX”, taranja Jiujitsu breziliana. Fifaninanana izay nokarakarain’ny JJB Attila. Efa fanao isan-taona izy ity, nanomboka ny taona […]




