Taratra

Taorian’ny « Pitik’afon-kabary » : Namoaka ny boky kabary « Aharihary » i Ny Rian’ala

Tsy toy ny boky kabary rehetra! Izay no azo ilazana ny boky Aharihary, nosoratan-dRamarolahy Maholy Nirilala na Ny Rian’ala. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, nandritra ny famaranana ny «Tsenaben’ny boky», ny sabotsy teo, ity boky kabary hafa amin’ny boky rehetra mirakitra ny fomba sy ny fanao nentin-drazana […]

Ba gasy mazia romotra : Nametraka ny toerany ny Zandry Gasy

Katroka ny tamin’ny 3 ora, niakatra ny sehatra ireo mpitendry. Vaovao amin’ny mpankafy satria tsy Zandry Gasy izy ireo, saingy nantsoina manokana handoko iny seho omaly, tao amin’ny CCesca Antanimena iny. «Afindrafindrao» na­tao sodina, angorodao, lokanga sy amponga, nampiditra sy nanome ny lokon’ny seho… avy dia ny «Kidaombaramita» no nanohizan’ny […]

IPM : Nohamafisina ny fahaizan’ny ekipan’ny BMH

Nanao tatitra ny fampiofanana nomena ny ekipan’ny BMH Isotry ny Institut pasteur de Madagascar (IPM). Tamin’ ny alalan’ny sampana virologie no nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo matihanina mpandrakitra ireo fahafatesana vo­katry ny aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika tao an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fa­naraha-maso ny gripa sy ireo tsimokaretina hafa amin’ny taovam-pisefoana mety hiteraka […]

Aretina bilarziozy : Ilaina ny fifehezana ny fitiliana

Notanterahina tao Ampefy, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana manokana momba ny fitiliana amin’ny alalan’ny mikroskopy ny aretina bilariziozy sy géohelminthiases. Mpiofana valo, voafantina, no nomena traikefa. Singa miisa 760 no nodinihina tsirairay tao anatin’izany. Fiofanana mirindra sy fanaovana fampiharana mihitsy no natao. Nisy ny masontsivana sy tomban’ny ezaky ny […]

Toamasina : Lany ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka hampiditra bus

Efa manomboka ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Hampiasa izany koa ny bus fitateran’olona amin’ny sarany zakan’ny daholobe. Manoloana ny fampiakaran’ireo mpitatitra amin’ ny bajaj sy ny posy ny saran-dalana efa ho 2 000 Ar – 3 000 Ar, nolanian’ny filankevitra kaominaly ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka anivon’ny Fia­didian’ny kaominina. […]