Nandritra ny fitsidihan’ireo tomponandraikitra ny asan’ny USAID tany Atsimo Atsinanana, izay notarihin’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, no nijerena ny tetikasa mamatsy herinaratra. Zava-dehibe ny fahazoana herinaratra hanatsarana ny fandrosoana ara-toekarena amina tanàna sy faritra iray. Tetikasa Hub na foibe ahafahan’ny olona misitraka herinaratra tohanan’ny Power Africa, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Empowering Southern Africa, izy ity. […]
Taratra
Fiatrehana ny fetin’ny krismasy : hitohy any amin’ny faritra ny Tsinjo Noely
Mahavelombolo ireo tokantrano nisitraka ny tetikasa “Mifampitsimbina” ireo tohana ara-tsosialy voarainy. Fantatra izao fa hahazo ny anjarany ihany koa, amin’ny alalan’ny tsinjo Noely, ny any amin’ny renivohi-paritany. Nitohy teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny fizarana ny tohana ara-tsosialy ao anatin’ny tetikasa “Mifampitsimbina” izay ataon’ny fanjakana ary tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Tokantrano 4 150, […]
Harisoa Christiane: 13 taona tao anaty ekipa nasionaly, taranja Basikety
Minaoharisoa Jaofera Christiane, Malagasy mpanao basikety voafidy ho mpilalao mendrika indrindra, nandritra ny Africa Cup 3×3 natao teto Madagasikara, ny herinandro lasa teo. 13 taona izy izao no tao anatin’ny ekipa nasionaly ary anaram-boninahitra maro no efa norombahiny. Tany amin’ny taona 2013 i Christiane no nanomboka nanao basikety ary nandray anjara […]
Taranja tolona: nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy ny fitantanan’ny Federasiona
Notontosaina teny amin’ny IFM Analakely, ny zoma lasa teo, ny fivoriana ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), izay tarihin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny FML. Nambaran’ity lehiben’ny rafitra federaly ity fa nankatoavin’ireo mpitantana ny ligy dimy mandrafitra ny federasiona, ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny ara-moraly, izay nataon’ny federasiona. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, […]
DAKA AN-JORONY: Singam-bolo mandavo ny vositra
Mideza toy ny vato fa nirodana ihany. Noindraindraina tamin’ny haino aman-jery fa andrarezina manerana izao tontolo izao, ilay frantsay, i Dylan Rocher, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny «tir de précision», taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nifarana omaly, tany Dijon, France. Napetraky ny frantsay ho toa an’i Messi izy. […]