Hohainoin’ny fitsarana anio ny vadin’ilay lehilahy 21 taona namoy ny ainy, teny Anosizato. Nitrangana vonoan’olona mampiahiahy teny an-toerana, ny talata lasa teo. Nisy tsy fifankazahoana ka niafara tamin’ny disadisa teo amin’io lehilahy io sy ny vadiny, araka ny loharanom-baovao. Niasa toy ny fanoany ilay lehilahy nandritra ny tapakandro maraina, raha […]
Taratra
Halatra tariby : Polisy am-perinasa voasambotra
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy miisa fito anaty tambajotra mpangalatra tariby tao amin’ny Sarimasina, fokontany Antananambo, kaominina Fanandrana, omaly. Sarona nandoro ny tariby avy nangalariny tamin’ny sisin’arabe ny roa lahy. Narahi-maso, nisy fiara iray marika Mazda miloko mena nigadona teo amin’ny mpangalatra tariby. Nikasa hampiakatra ny entana ao anatin’ny fiara […]
Jiolahy maty voatifitra : Namaly bontana ny tompon-trano
Saika voatafika ny mpandraharaha iray tao Ambalankininina, omaly maraina. Tompon’antoka ny jiolahy efatra, nitondra basy. Maty voatifitry ny tompon-trano ny iray tamin’izy ireo. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Ambalakininina, Kaominina Mahanoro, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Nahare fisian’olona hafahafa tao amin’ny tanànany ny tompon-trano sady mpandraharaha. Tsy nisalasala namoaka ny […]
Championnat des Nations U18 : Lavon’i Madagasikara 2 ny Club M Maurice
Tsara fiditra ny ekipam-pirenena Madagasikara 2, teo amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena “championnat des nations”, taranja volley-ball, sokajy U18, vehivavy. Fihaonana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’izy ireo tamin’ny seta 3 no ho 2 ny Club M Maurice. Sahirana ny tovovavy malagasy vao nibata ny fandresena […]
SOMBIM-BAOVAO
Hatao anio any amin’ny foiben’ny Caf ao Egypte, ny antsapaka hahalalana izay ekipa hifanandrina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “ligue des champions” sy ny amboaran’ny kaonfederasiona “coupe de la Caf”, taranja baolina kitra. Ho fantatra eo izany izay ho mpifanandrina amin’ny CFFA sy ny FC Rouge. Misongadina ny […]





