Nitondra fanazavana mahakasika ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay hotanterahina any Mahajanga ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo. Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy no lohahevitra hovoizina amin’ity taona ity. Eo ambany fiahian’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, ny fankalazana rehetra hatao. […]
Taratra
Fanamiana miaramila: Ifandrombahin’ny firenena vahiny
Nanao fitsirihana teny amin’ilay orinasa mpanjaitra fanamiana miaramila ny minisitry ny Asa, Razakaboana Hanitra Fitiavana, tamin’ity herinandro ity. Nijery ny zava-misy marina manoloana ny vaovao miparitaka izay nilaza fa mampiasa zaza tsy ampy taona ilay orinasa. Voaporofo nandritra ny fidinana teny ifotony anefa fa tsy misy ny fampiasana zaza tsy […]
Fitsaboana nentim-paharazana: Mila fehezina ny gaboraraka, misy ireo tsimatimanota
Mahasarika ny Malagasy ny mitsabo tena eny amin’ireo mpitsabo nentim-paharazana. Anjakan’ny gaboraraka anefa izany asa izany ka manao fanairana sy fampahatsiahivana ny minisitera. Mirongatra ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny asa fitsaboana nentim-paharazana, ankehitriny. Manoloana izany, namoaka naoty fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ahafahana manarina ny lesoka. Tokony hanana taratasy fahazoan-dalana avy […]
Andrianaivo Lalao: Lasa farofy ny zanany ka hamita ny andiam-baksiny rehetra izy
Tsy vita vaksiny ny zanak’Andrianaivo Lalao fa nafana hoditra izy tamin’ny fotoana tokony ho nanaovany izany. Tsy navelan’ny vadiny hoentina handray vaksiny ilay zaza, araka izany. Tratran’ ny orana ny trano ipetrahan’izy ireo taty aoriana ka lena tao ny karinem-baksiny dia rovitra tanteraka. Vonona hanohy vaksiny tsy mbola vita anefa […]
Distrikan’i Marovoay: Tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny ray aman-dreny ny fanaovam-baksiny
Ilaina ho mafonja kokoa ny fanentanana ny isan-tokantrano momba ny tombontsoa azo avy amin’ny fanaovam-baksiny ny ankizy latsaky ny 5 taona. “Tsy tokony ho andraikitry ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny AC ny fandresen-dahatra fa manana anjara biriky daholo ny isam-batan’olona », hoy ny mpitsabo mpanara-maso ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’i Marovoay. “Sarotra […]




