Taratra

Ankatso : tovovavy mpianatra tsy hita popoka

Nisy nitondra ka tsy mbola niverina any an-tranony eny Ankatso I i Mirantsoa, mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo rehefa nandeha nianatra ny alatsinainy teo. Manao antso avo amin’ny rehetra ny havany. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola nahazoam-baovao ny mombamomban-dRa­harimalala Mirantsoa Eliane. Ilay tovovavy 24 taona mpianatra eny amin’ny Oni­versiten’Antananarivo. Tsy mbola […]

Hosodoko : misantatra ny fampirantiana i Zonasandratr’Art

Tanterahina eny amin’ny “Galerie d’Art Raparivo”, etsy amin’ny Ivokolo Ana­la­ke­ly ny varotra fampiratina ho­sodoko. Hanomboka ny talata 10 janoary 2023 izany hetsika izany ary tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary 2023. Ny mpanakanto mpanao ho­so­doko Zonasandratr’Art no hisantatra izany fampiratina izany. Varotra fampiratina “peinture acrylique” na hosodoko no misantatra […]

Fitendrena gitara : tombony maro no azo amin’ny fandalovan’i Arnito

Notontosaina nanomboka ny alatsinainy 9 janoary 2023, ary hitohy ny talata 10 janoary 2023 ny fampiofanana sy atrikasa atolotry ny “EGM- Conservatoire de musique” ho an’ny mpiangaly ny fitendrena gitara eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny “Mas­ter­­class internationale de guitare” ity hetsika ity. Ny hetsika izay efa miditra amin’ny andro fahatelo […]

“Tamatave Midera”: hiray sehatra ry Meva Gospel, TGC ary ry Jaw’s Band

“Aleo atomboka amin’ny fiderana an’Andriamanitra ny taona vaovao”, hoy ny fanentanana. Tarika mpanao gospel malaza telo no hampiaraka ny talentany mba haha goavana ny “Tamatave Midera”… «Midira eo amin’ ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary ao an –kianjany amin’ny fiderana”. Andian-teny ao amin’ny Soratra Ma­sina, nosafidiana manokana hitondrana ny “Tamatave Midera” […]