Taratra

Fanodinkodinam-bola: Lehiben’ny faritra teo aloha nigadra

Naiditra am-ponja ny lehiben’ny faritra Ihorombe teo aloha sy ireo olona efatra hafa niara-nitantana taminy, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany, ny mpitambola teo aloha sy ny mpitambola ankehitriny, ny mpanara-maso ny faritra ary ny mpanampy azy amin’ny fitantanam-bola. Voarohirohy noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ny antony anenjehana azy ireo, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco. […]

Very ny basiny : Zandary maty nofiraina famaky tao amin’ny hatony

Mirongatra ny asan-jiolahy, zandary iray kilasy ambony no maty novoinin’ny jiolahy tamin’ny famaky tany Imanombo, omaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny basy teny aminy. Zandary kilasy ambony iray, antsoina hoe Rako­toky Fahamaro, hita faty teo anelanelan’ny fokontany Betsiriry sy Imanombo, ao anatin’ny kaominina Ima­no­m­bo, distrikan’Antanimora Atsi­mo, faritra Androy, omaly tamin’ny 5 ora […]

Tsy milamina i Toamasina : Tonga any an-tokantranona polisy ny asan-jiolahy

Mahamay sy tsy mi­la­mina ny tanànan’ i Toamasina sy ny manodidina amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Saika an­drene­sana loza vokatry ny asan-jiolahy isan­’ andro, any an-toerana. Vaky trano etsy, fandrobana nampiasana fitaovam-piadiana eroa. Ny olona matina tsatoka antsy, fanolanana sy ny fanendahana manginy fotsiny manerana ny elanelantrano. Amin’izay indrindra, tonga hatreny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 146 ny tantsaha nisitraka kojakojam-pamokarana any amin’ny kaominina Vohilengo, distrika Fenoarivo Atsinanana, ny 18 febroary teo. Nahazo masomboly vary Mihary 9 kilao, zezika NPK 15 kg ary zezika organika 75 kg tsirairay avy izy ireo. Ao anatin’ny tetikasa Purpa, famatsiam-bolan’ny Bad, tantanin’ny minisiteran’ny Fambolena ity hetsika ity. Ho roahana […]

Voly vary safiotra : Mahafa-po ny tantsaha ny fanirin’ny ketsa

Hita sahady ny fihatsarana! 15 andro lasa izay no na­fafy ny masomboly vary safiotra tany Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Tapa-bolana aty aoriana, niaiky ny hatsaran’ny fanirin’ny ketsa ny mpamboly. Talanjona tamin’ny ha­betsahana sy hatsaran’ny ketsa izay tena mbola tanora i Jean Claude, mpamboly any Ambodimanga Ambatondra­zaka. « Tsinjoko sahady fa hi­tombo ny […]