Taratra

Niharan’ny fanolanana : Vehivavy bevohoka hita faty niboridana

Hatairana ny an’ny fokonolona raha nahita fatim-behivavy iray tokony ho 45 taona, nisy nanipy tamina kirihitr’ala ao Ambodiantafana RN 5, omaly maraina. Tsy lavitra ny arabe no nahitana ny fatiny, akaikin’ny toeram-pivarotana hanimasaka sy voandalana ho an’ireo olona mifamezivezy amin’iny lalana iny. Tonga teny an-toerana nanao fizahana ny razana ny dokotera […]

Nirefodrefotra ny basy : Jiolahy roa maty voatifitra teny Andohatapenaka

Nifanenjehana teny Ampasika sy Andohatapenaka ry Ramahagaga sy ny tariny, omaly hariva. Vokany, roa no maty voatifitry ny polisy. Ny iray azo sambo-belona. Jiolahy roa lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny Fip, omaly, tetsy Andohatapenaka, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Iray hafa azo sambo-belona. Niafina ora maro tao anaty […]

JJB-Federasiona  : Ligy telo no hitsangana tsy ho ela

Nanatanteraka fivoriambe fanao isan-taona ny eo anivon’ ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Fotoana nanaovan’ny mpitantana ny tatitra ny zava-bita tamin’io izay natrehin’ny ligim-paritra 2 (Atsinanana sy Boeny) amin’ ny telo ary ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena. Ankoatra ireo ligim-paritra […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 22 febroary, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fifaninanana Rugby lalaovin’olona fito, lahy sy vavy, sokajy zandriny U18. Araka izany, nisy ny fivoriana ara-teknika nataon’ireo klioba sy ny mpitantana eo amin’ny federasiona, omaly, mahakasika ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa natao hiatrehana ilay «Aroi 2025» izany. Nahintsan’ny Feynoord Rotterdam, […]

Futsal – Analamanga: Nasiana sokajy roa ny fifaninanana

Hotanterahina any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano, “Can Futsal 2025”, sokajy vehivavy. Manoloana izany, efa miomana ny ligin’Analamanga, ka hikarakara fifaninanana eto an-drenivohitra, ahitana sokajy vehivavy sy lehilahy. Araka ny vaovao navoakan’izy ireo, omaly, hatao […]