THT, Agrad & Skaiz, Meizah, Tsota, Odyai, sns. Maromaro ireo hiran’ireto mpanakanto ireto no efa 15 taona sahady izay no nalaza. Haverina indray izany. Misy ireo mbola anaty laza, ao kosa ireo vao hiverina indray. Tetikasa iray anisan’ny be mpiandry amin’izao fotoana ny « Génération 2010 ». Araka ny anarany, natao hampivondronana […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Tonga tao amin’ny LTP Toamasina ireo solontena avy amin’ny BNGRC nanatitra fanampiana ho an’ny mpiasa rehetra eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Atsinanana eto Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani izao. Nandray izany ny talem-paritry ny Fampianarana teknika […]
Tambajotra Sega-One Health : Hampivondrona mpikaroka manampahaizana
Mikarakara fihaonana isam-paritra ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) amin’ny alalan’ny tambajotra Sega – One Health, ny 30 sy 31 marsa izao, ao amin’ny Institut Français de Maurice. Natokana ho an’ny fomba fiasa “Fahasalamana tokana” na One Health izy ity. Hanasongadina ny fifampiankinan’ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana […]
Filatex : Namboly zana-kazo honko tany Mahajanga
Mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny vondron’orinasa Filatex. Anisan’izany ny fambolen-kazo toy ny nataony any Boanamary, Mahajanga. Tanjona ny hanarenana ny rohivoahary sady hanohanana ny velontenan’ny mponina eny ifotony. Mivelona amin’ny ala honko rahateo izy ireo, izay toeram-ponenan’ny hazandrano, fototry ny jono. Araka izany, nahatratra 40 000 ny […]
Vaomieran’ny Vondrona afrikanina : Nanolotra 200 000 dolara hanampiana ireo traboina
Mitohy ny tohana ataon’ny fikambanana na rafitra ho fanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany amin’ny faritra Atsinanana. Nanolotra taratasim-bola mitentina 200 000 dolara, hanampiana ireo traboina niharan’ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Andrainarivo. Nanamafy ny tale jeneralin’ny BNGRC, […]




