Taratra

Voaroba ny bisikIleta : Lehilahy nisy namono hita faty

Novonoin’ny tsy mataho-tody, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray 39 taona tao amin’ny fokontany Begavo, kaominina Feramanga Avaratra, distraka Ambatondrazaka, ny alin’ny alahady 20 septambra teo. Mivelona amin’ny asa fitaterana olona na entana amin’ny alalan’ny taxi-bisikileta ity lehilahy ity, araka ny loharanom-baovao. Tsy nody an-trano nandritra ny alina izy. Nikaroka […]

Taribin’ny Jirama nianjera : vehivavy namoy ny ainy tao Ambohibary Manjakandriana

Nianjera tampoka ny taribin-jiron’ny Jirama tao Ambohibary Manjakandriana, omaly maraina. Vokany, namoy ny ainy, main’ny herinaratra mahery vaika, ny vehivavy iray. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary sy ny teknisianina. Vehivavy bevohoka iray, 25 taona, matin’ny herinaratra mahery vaika avy amin’ny tariby an’ny Jirama, tao amin’ny fokontany Anosivato I, […]

Karate – Tompondakan’Analamanga : Nisavoritaka fa nisy seksiona roa Antananarivo

Nisy disadisa ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Analamanga, taranja karate ny sabotsy lasa teo, teny amin’ ny kianja mitafon’Ankatso. Nanana seksiona roa mantsy Antananarivo Renivohitra tonga teny an-toerana ka izay no nisian’ny olana. «Nahavita ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona izahay ny 22 aogositra lasa teo. Nahazo tapakila hiatrehana […]