Tovolahikely iray tokony ho 11 taona teo ho eo, maty natelin’ny ranomasina tany Toamasina, omaly. Voalaza fa nandeha nilomano lalindalina sy lavitra ireo namany izy ity ka natelin’ny rano tampoka. Niakatra eo ambony arofanin’ny tetezana eo amin’ny hopitalibe ireo andiana tovolahikely maromaro. Avy eo mitsoraka, tonga dia anatin’ny ranomamy manamorona […]
Taratra
Fernand Cello : Naiditra am-ponja eny Antanimora
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, omaly hariva, i Fernand Cello, mandra-piandry ny fitsarana azy. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy izy, 24 ora taorian’ny nisamborana azy. Vesatra anenjehana azy ny resaka fisolokiana sy fanelezana vaovao tsy marina, raha ny fanazavana voaray. Nosamborin’ny zandary etsy Anosizato izy, afakomaly alina, raha ny […]
Nandroba 4 tapitrisa Ar : Telo lahy nanafika Cash point nalefa eny Tsiafahy
Naiditra eny Tsiafahy taorian’ny fampanoavana ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny fanafihana Cash point teny Ambohibao Antehiroka. Niatrika fampanoavana, omaly, voatazona vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy ireo telo lahy tompon’atoka tamin’ny fanafihana Cash point. Nitrangana fanafihana nataona jiolahy efa-dahy tao Antanetibe, kaominina Ambohibao Antehiroka, ny zoma 24 janoary teo. Nandrasan’ireo olon-dratsy […]
Tenisy – Afrique U18 : Resy teo amin’ny fihodinana voalohany i Mirija
Ratsy ny vokatra ho an’Andriantefihasina Mirija, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U18 taranja tenisy. Fihaonana, notanterahina tany Le Caire Egypte, ny 27 janoary lasa teo. Vao teo am-piandohana dia efa resy ity hany solontena malagasy ity. Samy tsy tafavoaka ny fihodinana voalohany ny tovolahy na ho an’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, ny fifaninanana « Fety de Baskety e !”, karakarain’ny AT2B (Andraisoro Tia Basket ball), ho fankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny kliobany. Eny amin’ny kianja Andraisoro ihany no hanaovana ny lalao, amin’ny faran’ity herinandro ity. Hitohy any Bongolava indray ny fanazaran-tena sy fiofanana ho an’ireo Maitres, izay tarihan’ny Grand […]