Taratra

Roa andro nokarohina: Lehilahy hita faty natsingevan’ny rano

Natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Ampanoa­vamatso-Morarano, kaominina Mahavelona, distrikan’­ Anka­zobe, ny lehilahy iray, ny alatsinainy 20 avrily teo. Niaraka tamin’ny namany telo lahy izy, ny sabotsy 18 avrily teo, araka ny fanazavan’ny fianakaviany. Samy avy niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana vato izy efatra ireo ka nikasa hamonjy fodiana any amin’ny vady […]

Nidona tamin’ny takelaka dokambarotra: Lehilahy iray nitondra moto maty tsy tra-drano tetsy Itaosy

Maty tsy tra-drano, nianjera tamin’ny moto tetsy Anosimasina Itaosy ny alin’ny alatsinainy teo, Ambinitsoarivelo Yvon. Nivoaka ny lalana ny moto noentiny ary nidona mafy tamin’ny takelaka dokambarotra. Potika tanteraka ny lohany sy ny tarehiny. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Ano­simasina Itaosy, ny alin’ny alatsinainy 21 avrily 2026 lasa teo […]

Padel  : Manome tanana ny MPPTour ny Yas Madagasikara

Notanterahina, omaly teny Andraharo, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny Padel MPPT Tour sy ny Yas Madagasikara. Nanatanteraka izany, i Garry Ah-Waye, tomponandraikitry ny MPPTour sy i Benoit Janin, tale jeneralin’ny Yas Madaga­sikara. Notsiahivin’ny mpitantana ny Padel MPPTour fa mifantoka amin’ny fampivoarana ny taranja amin’ny ala­lan’ny fahaiza-manao sy ny fahavitrihan’ity orinasan-tserasera ity […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, ny 21 sy 22 avrily ho avy izao, ny atrikasa famelabelarana momba ny baolina kitra tsy matihanina. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny Fifa ho fampandrosoana ny baolina kitra “amateur” ity atrikasa ity, ka hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny baolina kitra eto Madagasikara. Hitarika izany i […]

Basikety N1A “Zone Centre” : Tompon’amboara ny JEA sy ny GNBC

Tontosa ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny dingana voalohany tamin’ny fifaninanana nasionaly, taranja basikety, N1A, ho an’ny faritra afovoany. Voahosotra ho tompon’amboara ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra, teo amin’ny vehivavy ary ny GNBC Analamanga kosa teo amin’ny sokajy lehilahy. Raha hiverenana ny lalao famaranana izay niadiana ny amboaran’ny ligy, nahazo […]