Taratra

Mercy Ships : Mitohy ny fandidiana maimaimpoana

Hatao ao amin’ny CHU Analakinina, Hopitaly be ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hisitraka ny fandidiana ataon’ilay sambo hopitaly Mercy Ships, ny 29 avrily hatramin’ ny voalohan’ny volana mey. Voafaritra mazava ny karazan’aretina raisina an-tanana sy anaovana fandidiana. Ho an’ny ankizy 4 hatramin’ny 12 taona, raisina an-tanana ny fandidiana […]

Avy amin’i Etazonia : Sakafo milanja 5 000 t hanampiana ny any atsimo

Hiatrehana ny tsifanjarian-tsakafo any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy vokatry ny haintany dia nanolotra sakafo milanja 5 000 taonina ny amerikanina. Natolotry ny mpiandraiki-draharaha amerikanina, Stephanie Arnold, ho an’i Madagasikara, tao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara omaly ny fanampiana ara-tsakafo azo tamin’ny famatsiam-bolan’ny governementa amerikana. Natolotra avy hatrany ny Pam izany satria izy […]

TARATRY ny KANTO

Faha-100 taonan’i Clarisse Ratsifandriha­manana. Hisy ny antsa tononkalo, izay hatao anio amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Ireo aingam-panahin’ity mpanoratra ity, izay tsy mbola nivoaka, tsy mbola fandre no antsain’ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem mandritra izany. Nodimandry i Nicolas Star, mpanakanto zanak’i Fenoarivo Atsinanana, araka […]

T.Love andiany faharoa : Lasan’i Nasandratra sy i Harinala ny amboara

Tafiditra amin’ny andiany faharoa ny fifaninanana « T.Love », hitiliana izay manan-talenta amin’ny filalaovana tantara faheno amin’ny Radio (Tantara an’onjampeo). Lasan’i Nasan­dratra sy i Harinala ny amboara tamin’ity hetsika karakarain’ny Tapaporohana Production ity. Tontosa ny 18 avrily teo, tao amin’ny JB Amboditsiry ny fanolorana ny fanomezana avy amin’ny JB Madagascar. « Chèque Cadeau […]