“Tamberina satria hamerenana ny sanganasan’i Jerôme Randria. Tsiahy ho an-dRailôla koa anefa io”, hoy ny nambaran’i Thony Chriss. Mikasika ilay fampisehoana izay hotontosaina ny alahady 3 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena io. Hiran’i Jerôme Randria zato sy isan-jato no hotontosain’ireto mpanakanto ireto, amin’io fotoana […]
Taratra
Esther Randriamamonjy: mahaliana ny olona ny velakevitra sy ny asa sorany
Ankavitsiana sisa ny mpanoratra ao anatin’ny fandaharam-pianarana mbola velon’aina, ankehitriny. Anisan’izany i Esther Randriamamonjy. Mahazo tombony manokana ireo miatrika ny fampirantiana ataony, noho ny fahafahana mitafa mivantana aminy. Ao anatin’ny fampirantiana ny sanganasan’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy, ny ao amin’ ny Tranomboky Monisipaly Analakely, amin’izao fotoana izao. Hetsika nanomboka ny 23 febroary ary […]
Andron’ny sekoly : fotoana hanehoana firaisankina eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra
Mbola ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny sekoly ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Maro ny hetsika nentin’ny sekoly ankalazana izany. Fotoana hanehoana firaisankina eo amin’ny samy mpianatra sy ny tomponandraikitry ny sekoly izany. Nanomboka omaly ary hifarana ny 1 Martsa izao izany, araka ny tetiandro navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. […]
FANTINA sy FINTINA
Hanohy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara ny International finance corporation (IFC) amin’ ny fampandrosoana ny tontolon’ny fiompiana eto Madagasikara. Voaresaka ireo sehatra laharam-pahamehana toy ny ronono, ny hoditra ary ny fitanterana sakafo mora simba. Hojerena ihany ny paikadim-pampandrosoana ny sehatry ny henan’omby. Tanterahina ao amin’ny faritra Atsinanana ny drafitrasa “Fia Mora” […]
WWF : fiatrehana ny ambana voajanahary
Hamafisina ny fahafahana miatrika ny fiovan’ny tontolo iainana, sady hampihenana ny fiantraikan’ny loza voajanahary. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana, ny famerenana amin’ny laoniny sy ny fitantanana maharitra ny rohy voahary. Toy ny fampihenana ny ambana voajanahary, ny rivodoza, ny tondra-drano, ny haintany, ny fihohatsahan’ny tany sy ny sisa. Izany rehetra […]