Resaka nandeha nanomboka omaly, teny amin’ny tambajotran-tserasera, ny mahakasika ny taranja karate, amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Ho fandravonana ny olana misy, nanao fanambarana niraisana, omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny eo anivon’ny Komity olympika Malagasy sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nambaran’ izy ireo fa ho tombontsoan’ny firenena, afaka […]
Taratra
Fanombohan’ny hetsika : ho tonga eto Antananarivo anio ny afon-dalao
Hanomboka anio, eto Madagasikara ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy anatin’ny ranomasimbe Indianina. Efa vonona ny fampiantranoana izany hetsika ara-panatanjahantena sy kolontsaina izany. Anio zoma 25 aogositra ny fotoana hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Hanamarika ny fanombohan’ny hetsika ny fahatongavan’ny afon-dalao, eto an-drenivohitra. Toerana hanatontosana ny […]
Sombim-baovao
Tratran’ny areti-kibo ireo maorisianina mpilalao basikety miisa telo, omaly. Hiatrika ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara izy ireo. Marihina fa efa eto an-toerana avokoa izy ireo, raha ny fanazavana voaray, efa voavaha ny olana ary efa salama tsara avokoa ny mpilalao. Tsiahivina fa i Maurice, miray vondrona « A » amin’i Madagasikara. Nifamotoana […]
Fanokafana ny lalaon’ny Nosy : hakotroka ny lanonana, hitondra ny saina i Laura
Higadona anio ilay fotoan-dehibe ho an’ny tontolon’ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Efa tonga eto Madagasikara avokoa ireo delegasiona vahiny rehetra avy amin’ireo nosy rahavavy handray anjara amin’izany. Efa vonona tanteraka amin’ny fandraisana i Madagasikara indrindra ho an’ny lanonam-panokafana. Ankoatra ireo kabary hifandimbiasana, anisan’ny tena andrasana ireo seho sy ravaka […]
BAOLINA KITRA: fandresena voalohany ho an’ny Barea
Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, omaly, teny By Pass. Mitarika ao amin’ny vondrona “A” i Madagasikara. Isa telo avy hatrany no nalain’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar tamin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja baolina kitra ity. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho […]




