Taratra

Fitsarana : hampiasaina ny « Diary fanarahan-draharaha »

Ho fanamorana sy hisorohana ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, napetraka ny « Diary fanarahan-draharaha ». Fomba fiasa vaovao eny anivon’ny fitsarana izany. Hampiasaina eny amin’ ny fitsarana ny «Diary fanarahan-draharaha» ( Carnet de Suivi). Ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy Mbolatiana no nanolotra izany teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, omaly. […]

INDRAY MIJERY

171 ny ankizy manana olana amin’ny fiarahamonina raisina an-tanana eny amin’ny akany Avoko. 29 amin’ireo napetraky ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona eny an-toerana, taorian’ny fanolanana nahazo azy ireo. 25 ankizivavy ary efatra ankizilahy. Matetika ny olom-pady sy ny fianakaviana ihany no mahavanon-doza manolana azy ireo. Manao antso […]

Nifin’Akanga-Fanolanana : tsy ampy ny lalàna famaizana

Nanao hetsika ho fampahafantarana ny fanolanana amin’ny ankapobeny sy ataon’ny olom-pady, teny Anosy, ny fikambanana Nifin’Akanga, ny faran’ny herinandro teo, niaraka tamin’ny mpitantana ny akany Avoko eny Am­bohidratrimo sy Bevalala. Tanjona ny hiresahana ireo ampahibemaso ho an’ny daholobe satria zava-misy eny amin’ny fiarahamonina. Fo­toana nanangonana tohana vola avy amin’ny rehetra […]

Faritra Itasy : mpampianatry ny oniversite 150 nofanina

Tafiditra ao anatin’ny ezaka 100 andron’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra eny amin’ny oniversite. Nisantarana izany ny fanofanana ireo mpampianatra miisa 150 ao amin’ny faritra Itasy. Hitohy ny 24 febroary izao ny fiofanana ary faranana any Soavinandriana, ny 26 febroary. Tanjona ny hanatanteraka […]

Aretina androbe: tsy mifindra fa mila maharitra amin’ny fitsaboana

Antony maro no mety mahatonga ny androbe. Aretina tsy mifindra izy ireny ary mila tohana ny marary mandritra ny krizy tsy hahatsiarovany tena. Mandritra ny herinandro ny fanentanana mo­mba ny aretina androbe, karakarain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mitondra fanazavana mahakasika ny aretina ny minisitera ary milaza fa tsy areti-mifindra ny androbe ary […]