Ho fanamorana sy hisorohana ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, napetraka ny « Diary fanarahan-draharaha ». Fomba fiasa vaovao eny anivon’ny fitsarana izany.
Hampiasaina eny amin’ ny fitsarana ny «Diary fanarahan-draharaha» ( Carnet de Suivi). Ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana no nanolotra izany teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, omaly. Natao hanamorana ny asan’ny fitsarana sy hisorohana ny kolikoly ny anton’izany. Araka ny fampitam-baovao, hita ao anatin’io diary io avokoa ny raharaham-pitsarana miseho eny an-toerana.
Anisan’izany ny fotoana handehanan’ny fitsarana, ny anaran’ny olona notoriana, ny laharan’ny varavarana hiakaran’ny raharaha sy izay rehetra mahakasika ilay raharaha. Tsy misy hirika hidiran’ny mpijirika sy hisian’ny kolikoly intsony, araka izany, amin’ny fampiasana ity diary ity. Nanamafy ny minisitry ny Fitsarana fa tafiditra ao anatin’ny mangarahara, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanafainganana ny raharaham-
pitsarana ny fampiasana ity «Diary fanarahan-draharaha» ity. Ny tompon-draharaha mivantana no manaraka ny fizotry ny fitsarana momba azy.
Nankasitraka ity fomba fiasa vaovao ity ireo mpisitraka ny raharaham-pitsarana. Nanambara izy ireo fa natao hitsinjovana ny vahoaka tokoa izany, araka ny fampitam-baovao, fanombohana ny teto Anosy fa hampiasana ity diary ity avokoa ny fitsarana manerana an’i Madagasikara.
Andry F.




