Taratra

Herintaona ny fifanarahana : Hanazatra ny Barea A i Corentin Martins

Efa nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy Mahamasina, omaly, fa ilay frantsay, Corentin Da Silva Martins no mpanazatran’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsy voaresaka tao ny karamany. “Hiezaka ny tenako mba hampiakatra ny baolina kitra malagasy, ary ny hanaovan’ny Barea de Madagascar Mon­dial amin’ny 2026”, hoy ilay frantsay mpanazatra vaovaon’ny Barea, […]

FANTINA sy FINTINA

Noesorina tsy ho ambasadaoro any amin’ny Vondrona Eoropeanina sy any Bruxelles, i Beriziky Omer, araka ny didim-panjakana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Tsy mbola notendrena kosa ny hisolo azy amin’izany toerana izany. Nanao tohivakana ireo niarahaba noho ny taona vaovao sy ny nahalany fanintelony indray ny ben’ny […]

Depiote Rajaobelina Lova Herizo : Mitaona ny vahoaka ho tony

“Nanomboka tamin’ny fifidianana depiote no hita hoe misy an’ireo tsy mahazaka ny fandresena azon’ny mpomba ny fitondrana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Moramanga tamin’ny anaran’ny Iramar, Rajaobelina Lova Herizo, tany Mora­manga, omaly, ny amin’ny fikasan’ny mpanohitra sasany hanakorontana noho ny tsy fanekena valim-pifidianana. Nitombo izay tsy fahazakana faharesena […]

Izay be no basy

  Somary mangingina izany tanàna! Variana amin’ny mahavariana azy ny sarambabem-bahoaka. Ny mpanao politika no hany mikononkonon-javatra. Tsy fantatra mazava ny tiana hahatongavana. Ny fanambarana no mipoipoitra tsikelikely. Milaza an’izatsy na izaroa ireo mitonona ho matihanina amin’izany. Milaza indray fa sady tia tanindrazana no mitsinjo vahoaka. Indraindray dia mipetraka ny […]