Taratra

TSELATRA

Renim-pianakaviana tokony ho 48 taona hita faty teo amoron-dranon’Ambahy, Lakandranon’i Pangalana, distrikan’i Nosy Varika, omaly maraina. Avy any Fenoarivo Ambahy io olona hita faty io, mpikarama manao vary ary mivezivezy amin’ny lakana eo anelanelan’i Ambahy sy Fenoarivo no ahitan’ny olona azy. Tsy nahitana ratra ny vatany, araka ny fizahana nataon’ny […]

voalaza ho nangala-jaza : Naiditra eny Antanimora ilay vehivavy

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antani­mo­ra, a­fakomaly, ilay ramatoa tratran’ny fokonolona voalaza ho nangala-jaza tetsy Ambo­hi­dahy Ankadindramamy, ny 29 jolay 2026 teo, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Raha tsiahivina, naka sary an-keriny ankizivavy 15 taona teny an-toerana izy ka nahatonga ny olona teny amin’ny manodidina niahiahy azy ho […]

Hividy volamena: Mpivady voaroba 15 tapitrisa Ar

Niharan’ny fandrobana nataon’olon-dratsy ny mpivady nikasa hividy volamena tany Ambovombe Centre, afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Nividy santionana volamena tamin’olona izy ireo talohan’io tranga io. Taorian’ny fifampiresahan’ny roa tonta, nambaran’ilay mpivarotra fa mbola misy volamena any Manandriana. Nihazo an’Ambovombe Centre izay toerana hakana ny entana izy […]

Fanaovana fitsaram-bahoaka : Lehilahy miisa dimy nalefa eny Antanimora

Niakatra fampanoavana omaly, ary nalefa eny Antanimora avokoa, ny lehilahy dimy voalaza ho nanao fitsaram-bahoaka teny Ampangabe, Ambohidratrimo. Nototoin’izy ireo vato ny lohan’ilay lasibatra, izay nampangaina fa mpangala-jaza. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha hala-jaza narahina fitsaram-bahoaka ka nahafatesan’olona tany Ampangabe ny zoma 17 jolay […]

Fifaninanana «Pronostic Mondial 2026» : Lasan’i Roberto Carlos ny Moto électrique

11 andro taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny tompon­daka maneran-tany amin’ny baolina kitra “Mondial 2026”, notanterahina, omaly, ny fanolorana loka ho an’ireo mpan­jifa ny World Cola (Woco), ta­min’ny “pronostic score” sy ny “pronostic champion”. Natao teny amin’ny foibe toeran’ny Star Andranomahery izany. Nandrombaka ny loka goa­vana, “moto électrique, marque QJ Motors”, i […]