Nanao fanambarana momba ny fisamborana ireo tanora naneho ny heviny, anisan’ny nandrodana ny jadona sy ny tsy fanarahan-dalàna ny Seces. Nametraka ny ahiahiny izy ireo. « Tsy hisy ny tena fampandrosoana ny firenena fa ny omaly tsy miova ihany. Ambara hatrany fa fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fanjakana izao », hoy izy […]
Taratra
Masoivohon’i Frantsa : Mandiso ny fisian’ny Frantsay mikasa hanakorontana
Lavin’ny masoivohon’i Frantsa amin’ny fomba ofisialy ny fiampangana miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera sosialy momba ny fidiran’i Frantsa amin’ny fikasana hanakorontana ny tany sy ny fanjakana eto Madagasikara, araka ny fampitam-baovao avy amin-dry zareo ny faran’ny herinandro teo. Vaovao miely amin’izany ny hoe fisiana miaramila frantsay tafiditra amin’ny fikasana hamono ny filohan’ny […]
Mila mahay mandanjalanja !
Asa ! Izay tokoa ve no atao hoe politika? Mampametra-panontaniana ihany ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana mijoro amin’izao fotoana izao. Tena mitobaka izaitsizy ny vola. Miraradraraka ny nofon-kena mitam-pihavanana am-polony tapitrisa Ariary, zaraina etsy sy eroa. Mahazo vahana tanteraka aloha ry zareo any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy rehetra any. Tena ampihantaina […]
Fanavaozana zotram-pifidianana : Hanao fikaonandoham-pirenena ny Ceni
Hanatanteraka fikaonandoham-pirenena ihany koa ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Tanjona ny ahalalan’ny vahoaka ny andraikitra sy ny fikarakarana eto Madagasikara. “Ny andraikitra sahanin’ny Ceni amin’izao, eo ny fampandehananany raharaha andavanandro amin’ny maha rafi-panjakana araka ny lalàmpanorenana azy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana […]
TSELATRA
Fahamaizan’ny biraon’ny polisy tany amin’ny kaomisaria Vohemar tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampondra, ny herinandro lasa teo. Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana ny polisim-pirenena, iraky ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, omaly. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana mikasika iny tranga iny, mba hahafantarana ny tomponandraikitra. Iarahan’ny polisy sy ny zandary avy any Sambava […]




