Voasokajy ao anatin’ny biby arovana ny varika na gidro ka raràn’ny lalàna ny fivarotana, ny fihazana, ny fihinanana azy. Manambara izany ny lalàna iraisam-pirenena tovana 1 navoakan’ny Cites, andininy 29. Manamarina io ny lalàna malagasy izay adika ho toy ny ady heloka ny fakana biby na zavamaniry anaty faritra arovana, […]
Taratra
Madagasikara : hanondrana tantely 18 t isan-taona
Manana fiaraha-miasa izay ahafahana manondrana tantely hatrany amin’ny 18 taonina isan-taona ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra nasionaly. Laharam-pahamehana ao anatin’ny tetikasa « FFF » sy ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra ary ny FAO ny seha-pihariana tantely. Misy fifaninana handraisana mpandraharaha mpiompy tantely ao amin’ny vovonam-pikambanana miisa valo mandrafitra ny Tranoben’ny tantsaha, hahafahana mamolavola azy […]
Trophée du jeune entrepreneur : hahazoana famatsiam-bola hatramin’ny 100 tapitrisa Ar
Famatsiam-bola sy fampindramam-bola averina tsy misy zana-bola hatrany amin’ny 100 tapitrisa Ar no omen’ny BNI Madagascar ho an’ny mpandraharaha mendrika ny fifaninanana “Trophée du jeune entrepreneur” 2024. Fampidramam-bola manomboka ny 50 tapitrisa Ar hatramin’ny 100 tapitrisa Ar. Io no tolotra goavana omen’ny BNI Madagascar ho an’ny mpandraharaha voafantina hibata ny […]
Fanavaozana ny EPP Andohalafy : natomboka omaly ny hady fototra
Tontosa omaly ny hady fototry ny sekoly ambaratonga voalohany (EPP) etsy Andohalafy, kaominina Ankadimanga, distrikan’Atsimondrano. Hisitraka izany ireo zaza malagasy miisa 100, mandranto fianarana eny an-toerana. Nahafahana nanao izany ny famatsiam-bola avy amin’ny fikambanana mijery ny zaza sahirana, ABED Madagascar. Tsy ampy ny efitra hianaran’ny ankizy eny an-toerana, efa simba […]
INDRAY MIJERY
Ho fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny toetr’andro, izay itondrana ny lohahevitra hoe «Lohalaharana amin’ny hetsika mahakasika ny toetr’andro», hisy fampirantiana sy famelabelaran-kevitra hotanterahina eo amin’ny Parvis, Lapan’ny Tanàna Analakely, ny 21 ka hatramin’ny 23 Marsa ho avy izao. Nisitraka fanentanana momba ny fandrindrana ny fiainana ara-pananahana ireo mpianatra avy […]