Taratra

Mpanazatran’ny Barea: hivoaka alohan’ny faran’ny volana janoary ny anarany

Tonga nitsidika ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Moustapha Marson Abdulah. Nambarany fa eo am-pamitana ny raharaha mahakasika ny mpanazatran’ny Barea ry zareo amin’izao fotoana izao. Taon’ny asa tokoa ity 2025 ity. Nampanantena ny minisitry ny MJS, Moustapha Marson Abdulah, omaly, teny Mahamasina, […]

Karana voaroba 4 tapitrisa Ar: maty voatifitra ilay mpamily

Jiolahy mitam-piadiana nitondra moto nandroba vola 4 tapitrisa Ar an’ny teratany karana tetsy Ambodivona, omaly. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany ny raim-pianakaviana izay mpamily ka maty. Nanararaotra fitohanana, namoaka fitaovam-piadiana teny aminy ny iray tamin’ireo jiolahy nandroba vehivavy teratany karana teny Ambodivona, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nan­dalo ny lalam-bato […]

Kaominina ambanivohitr’i Maromitety: ahina ny mety hisiana valanaretina maro

Valifaty politika ahi­­na hihitatra ha­tramin’ny maha olo­na sy tsindry ara-tsosialy ka me­ty hitarika fiforonana valanaretina ma­­ro samihafa ny trangan-javatra mi­seho ao amin’ny fokontany maromaro eo anivon’ny kominina  ambanivohitr’ i Maromitety, niatomboka ny 12 desambra lasa teo. Samson na Sonina, zandary misotro ronono ary efa nihazona ny andraikitra lefitry ny ben’ny […]

Sobim-baovao

Araka ny tsiliantsofina, ny fandoavana ny karaman’izay ho mpanazatra hitantana ny Barea no antony tsy mbola hivoahan’ny anaran’izay hisahana izany andraikitra izany. Mbola hifampidinihan’ny fanjakana sy ny federasiona ary ny mpiara-miombon’antoka mantsy ny amin’izany, araka ny angom-baovao. Manomboka amin’ity taom-pilalaovana ity, hanazatra ny ekipan’ny FC La Ville Ste Suzanne, atsy […]

Judo-R.Siteny: lany ho filohan’ny UAJ fanindroany

Tontosa ny talata 14 janoary lasa teo, tany Casablanca, Maraoka, ny fifidianana teo anivon’ny UAJ (Union africaine de Judo). Mbola lany hitantana izany mandritra ny 4 taona manaraka indray, Randrianasoloniaiko Siteny. Voafidy tsy nisy fanoherana ary nahazo fankatoavana tanteraka izy tamin’ny alalan’ireo federasiona 32 manerana an’i Afrika, izay tonga nanatrika […]