Miverina ho maina tsikelikely ny andro nanomboka omaly ary ho maina tanteraka amin’ny faran’ny herinandro sy ny fiandohan’ny herinandro ambony io, ho an’ny faritra Alaotra Mangoro. Hisy fiakarany misongadina ny maripana ambony mandritra ny faran’ny herinandro. Tombanana hanodidina ny 27°-30°C izany raha ho anelanelan’ny 19°-20°C kosa ny maripana ambany. Omaly […]
Taratra
Fidirana amin’ny LTP: nisokatra ny fisoratana anarana
Nisokatra ny 13 janoary lasa teo ary hikatona ny 21 marsa 2025 ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana hidirana ho taona voalohany eny anivon’ny Lycée teknika manerana ny Nosy, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hotanterahina ny 19 sy ny 20 jona ny fanadinana fifaninanana ho an’ireo […]
Volana janoary: fotoanan’ny krizy ao an-tokantrano
Mandalo fotoan-tsarotra ny ankamaroan’ny tokantrano rehefa volana janoary. Lany nandritra ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ny vola. Mivaro-pananana na midi-trosa ny ankohonana hahafahana mivelona. Maro ireo maka ny antsasa-karama amin’izao fisasahan’ny volana izao. Fotoana fandraisan’ireo mpivarotra mpandray entana tonta etsy 67 Ha ireo kojakojan-tokantrano amidy mora ny volana […]
Rajoelina Mialy: “Mila atoro ny ankizy ny foto-kevitra ho fiarovana azy”
Nisy ny tranga fanolanana nataon’ny rainy amin’ny zanany vavy tao anatin’ny 19 taona ka nandraisan’ny mpitandro filaminana andraikitra. Manoloana izany, naneho hevitra ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady tompondakan’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, tao anatin’ny pejiny manokana amin’ny tambajotran-tserasera. “Amin’ny maha reny ahy, tena marary ny fo mahita ity […]
Taratry ny kanto
Nainako, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hampiaina ny mozika avy any atsimo, laroina mozika maoderina ny tarika, manomboka amin’ny 8 ora alina. Anisan’ireo nitondra aina vao ho an’ny mozika antandroy ny tarika, araka izany. Mbola tsapa anatin’ny sanganasan’izy ireo hatrany anefa ilay fototra niaingana tao amin’ny tarika Vaovy sy mbola […]




