Saron’ny polisy ny jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana teratany sinoa mpandraharaha tao Nosikely Morondava, ny sabotsy 10 febroary 2024 lasa teo. Nisy trangana fanafihana tao amina tokantrano iray ao Nosikely. Jiolahy telo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana no voalaza fa niditra an-keriny tao an-tranon’io teratany sinoa io. Nahazo ny angom-baovao rehetra momba izany […]
Taratra
Nanota fady : olona natelin’ny ranomasina tao Toamasina
Raim-pianakaviana 58 taona no natelin’ny ranomasina tao Toamasina, ny sabotsy teo. Mbola tsy nipoitra avy ao anaty rano ity niharam-boina ity taorian’ny fikarohana nataon’i Lalaina zanadrano, ilay tovolahy mpisitrika manavotra olona natelin’ny ranomasina. Ireo mpaka sary eny amoron-dranomasina no nahatsikaritra entan’olona mipetraka eo amoron-dranomasina ka samy nifanontany teo. Sakaosy niaraka […]
Herisetra amim-behivavy : voasambotra ilay lehilahy namono ny vadiny
Naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nataom-badiny ny vehivavy iray tetsy Ankaraobato. Tratran’ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nahavanon-doza. Mirongatra tato ho ato ny fifampikasihan-tanana ataon’ny samy mpivady. Lehilahy iray indray no voasambotra tao amin’ny fokontany Ambodivoanjo, kaominina Ankaraobato, afakomaly maraina. Nidaroka sady nandratra ny vadiny, notanan’ny mpitandro filaminana ny raim-pianakaviana iray. Naharay loharanom-baovao […]
fikambanam-behivavy ams : nahazo zanak’akoho sy kisoa
Mandeha ny fitsinjarana ireo biby fiompy sy sakafom-biby ho an’ny tantsaha ataon’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nitsidika kaominina maromaro any amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny minisitra Ratohiarijaona R. Suezlin, ny herinandro lasa teo, nandray ny hetahetan’ny tantsaha. Ho famaliana izany fangatahana izany, natao ny sabotsy 10 febroary […]
VAOVAO TAMBATRA
Namboly hazo teny amin’ny kaominina Ambalavao Atsimondrano ny tily Mpanazava eto Analamanga, ny sabotsy 10 febroary teo. Hetsika fanaon’izy ireo isan-taona izany, ka samy nanatanteraka ny azy daholo ny isam-paritra eto amintsika. Lohahevitra noraisina, tamin’ity taona ity, ny «Fiovan’ny toetr’ andro». Nahazo fitaovam-panjonoana ny mpanjono sy ny vadina mpanjono any […]