Lehilahy iray lasan’ny mpaka an-keriny tao Belavabary, kaominina Begisa, distrikan’i Brieville, ny alatsinainy 13 janoary teo. Novakin’ireo dahalo ny varavarana ka niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano izy ireo. Nentiny nanaraka azy io lehilahy iray io. Nanara-dia ny zandary sy ny fokonolona. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Miaramila matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ranotsara […]
Taratra
Nifanenjehin’ny UIR: jiolahy dimy maty voatifitra
Jiolahy dimy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Mahajanga tampon-tanàna lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Manoloana ny tsy fandriampahelamana niseholany tao amin’ny fokontany maromaro ao an-toerana, niara-niasa ny polisim-pirenena sy ny mponina. Nanao fisafoana tampoka teny amin’ny Gradin Mahavoky ny solontenan’ny polisin’ny UIR. Nifanena tamin’ny olon-dratsy izy ireo. […]
Mpivarotra solika hosoka: roa lahy tratran’ny zandary tao Toamasina
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Toamasina, ny 13 janoary 2025 hariva, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka amin’ny fanamboarana sy fivarotana solika mitapoka asidra. Teo am-panaovana izany, tao amin’ny fokontany Mangarano, miaraka amin’ ireo fitaovana fampiasan’izy ireo no tratra izy roa lahy ireto. Nahitana solika […]
“Chan 2024”: nahemotry ny Caf amin’ny volana aogositra
Noho ny fotodrafitrasa any Kenya sy i Tanzania ary i Ounganda tsy mbola tomombana tsara, nanao fanambarana ny Caf fa hatao amin’ny volana aogositra ny «Chan 2024». Nandray fanapahan-kevitra goavana ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf), omaly halina, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Notapa-han’izy ireo tamin’izanyfa ha-hemotra amin’ny volana aogositra ho […]
19 taona nanolanana an-janany: mpanao baolina malaza naiditra eny Tsiafahy
Nalefa eny Tsiafahy ny raim-pianakaviana iray nanolana an-janany vavy tetsy Ampasamadinika. Niharan’ny herisetra nandritra ny 19 taona io zanany io saingy izao vao nisy sahy nitoroka. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ilay mpihira sady mpanao baolina malaza eto an-toerana hatrany ampitan-dranomasina. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy 13 janoary teo izy. Naiditra vonjimaika […]




