Ankoatra ny fitokanana ny tetezan’i Mangoro Moramanga vaovao, ny 9 febroary teo, nanolotra fiarabe sy milina fanamboaran-dalana ho an’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ihany koa ny fanjakana japoney. Nandray ireo fanomezana ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny masoivohon’i Japana, […]
Taratra
Famatsiam-bola vahiny: hafainganina ny famoaham-bola
Tsy ampy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fifanarahana amin’ny findramam-bolan’ny fanjakana amin’ny any ivelany. Mavesatra ny pitsompitsony amin’ny fanaovana ny fandaniana sy ny fampanarahan-dalàna ny fanatanterahana azy. Ambany ny tahan’ny famoaham-bola amin’ny fanampiana ara-bola avy any ivelany, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Antony, mavesatra ny […]
Fifampikasohana herinaratra: trano fivarotana dimy kilan’ny afo
Nitrangana haintrano mahatsiravina tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, eo amin’ny “Rond point ” ambody tetezana Tanamakoa, ny zoma 9 febroary, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. “Efa ela izahay no nampandre ny Jirama fa matetika misy manjelanjelatra na mitselatselatra ny tariby mitondra herinaratra amin’ io andrin-jiro io fa tsy […]
Ambohimangakely : mpamaky trano voasambotra
Tratran’ny fokonolona niray hina ny mpamaky trano iray tao Antsahamalaza, fokontany Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely, omaly. Nivoaka antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray anatin’io fokontany io ilay mpangalatra. Tsikaritry ny mponina manodidina anefa ny fihetsiny hafahafa. Nitondra kitapo mainty rahateo izy ka niantsoantso ny mponina. Nanao tongotra an-katoka avy hatrany anefa ilay […]
Mahaboboka – Toliara: Taksiborosy nahatrarana zanaka baobab 24 gony
Mirongatra hatrany ireo manararao-paty manimba ny ala arovana. Lehilahy iray sarona nitondra zanaka baobab tao anaty gony. Noraisim-potsiny! Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mahaboboka ny taksiborosy iray nitondra jabohy (zanaka baobab) 24 gony, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’ireo hazo sarobidy ka mila arovana ireto karazan-kazo mampiavaka ny faritra […]