Nitarika ny fitokanana ny tetezana roa vaovao, omaly, any amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), ny filoha Rajoelina. Fotodrafitrasa vita amin’ny « béton », azon’ny fiara roa ifanenana, mirefy 102 m ny iray, tetezan’i Mangoro, raha 30 metatra ny faharoa, any Antsampazana ary samy 7 m ny sakany. Fanomezana avy amin’ny governemanta japoney, tamin’ny […]
Taratra
Harena an-kibon’ny tany : nahazo loka iraisam-pirenena telo ny Base Resources
Orinasa renin’ny Base Toliara ny Base Resources. Nisongadina ny fahaiza-mitantana, ka nahazoany loka iraisam-pirenena miisa telo, nokarakarain’ny hetsika “Mining Indaba”, farany teo. Nahita vokatra tsara ny Base Resources, orinasa renin’ny Base Toliara. Miisa telo ny loka iraisam-pirenena azony tamin’ireo loka sivy nozaraina, nandritra ny hetsika « Responsable resourcing Awards 2024 » tamin’ny […]
Lalao « Visa New York »: nankasitraka ny mpanjifany ny MCB Madagascar
Nikarakara lalao “Visa New York” ny MCB Madagsacar, ny 20 novambra 2023 hatramin’ny 20 janoary 2024 lasa teo. Hetsika hanentanana ny mpanjifany hampiasa ny carte Visa MCB. Nisitraka tapakila fandraisana anjara amin’ny lalao avy hatrany ireo mpanjifa rehetra nampiasa vola manomboka amin’ny 100 000 Ar amin’ny alalan’ny carte visa. Mpikarakara lalao […]
Canal plus : fifaninanana sarimihetsika ho an’ny vehivavy
Nisokatra omaly, ny antso fahavononana hanolotra tetikasa famoronana sarimihetsika, tohanan’ny vondrona televiziona Canal+ Madagasikara. Fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy mpanatontosa sarimihetsika, mpilalao ary mpamokatra, ka maharitra 1 minitra hatramin’ny 45 minitra ny faharetany izy ity. Havoaka ny 15 sy ny 16 marsa ho avy izao ireo horonantsary, ao amin’ny efitrano […]
Fampandrosoana : manampy ny tantsaha ny Zazamanga
Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga, Rakotondravao Sarobidy, fa misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra sy eny an-drenivohitra izy ireo. “Betsaka ny dingana efa natao fa tanjona ny hivoaran’ireo mponina mba ho afaka hamokatra sy hahavelona ny tenany, amin’ny alalan’ ny fambolena sy fiompiana”, hoy izy. Anisan’ny misitraka izany ny kaominin’Ambato, distrikan’Ambohidratrimo. Nanampy […]