Fantatry ny fanjakana ny fampandrosoana hoentin’ny tetikasa Base Toliara matoa nekeny ny hanokafana azy indray. Mihamaro ihany koa ny vondron’olona resy lahatra manaraka azy any Toliara. Maro ireo mankasitraka ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara indray, any Atsimo Andrefana. Anisan’izany ny olobe any an-toerana, i Lizanty Emile, nilazany fa niady mafy […]
Taratra
Ratsietison Jean-Jacques: “Namadika ny tolona ny vondrona Firaisankina”
“Nahatonga ny kolektifan’ny kandidà 10 (C10) niparitaka tamin’ny 2023, fifidianana filohan’ny Repoblika, namadika ny kandidà Ravalomanana Marc: nandefa ny olona handeha hifidy”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy (FMI-Ma) izay mpikamban’ny Kolektifa an’ny Malagasy ary kandidà filohan’ ny Repoblika, Ratsietison Jean-Jacques, taona 2023, manoloana ny […]
Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Hiaro ny voka-pifidianana ny governemanta”
Nitondra ny heviny, manoloana ny toe-draharaham-pirenena, ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra, Mara Volamiranty Donna. Anisan’ny noresahiny ny momba ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna farany teo. “Ny governemanta iray manontolo no miara-misalahy amin’ny fiarovana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ ny fifidianana”. Io ny fanehoam-pijerin’ny minisitry ny Serasera sy ny […]
Fahasalamana: kely ny taham-pahaveloman’ny zaza voan’ny tetanosy
Mbola tena misy ny tetanosin’ny zaza vao teraka raha ny fanamarihana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Sarotra tsaboina izy io ary kely ny taham-pahaveloman’ny zaza raha voany. Azo sorohana tsara amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny mandritra ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana eny anivon’ny tobim-pahasalamana anefa ny tetanosy mahazo ny zaza vao teraka. […]
Marais Masay: esorina ireo tsikafona manentsina ny vavarano
Ao anatin’ny fiatrehana ny taom-pahavaratra, hanadio ny eny amin’ny Bassin tampon sud Marais Masay ny ao amin’ny CUA. Hodiovina ny toerana mirefy 5ha. Tsentsin’ny tsikafona ireo vavarano andehanan’ny rano avy any Andravoahangy, Besarety ary Mahavoky. Miteraka fiakaran’ny rano izany, indrindra rehefa avy ny orana. Tonga teny an-toerana ny PDS, Alexandre […]




