Nivoaka amin’ny fanginany manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny minisitra teo aloha, Razafimanazato Julien. Nanao antso avo amin’ny rehetra ny tenany tamin’izany. Nitodihany manokana tamin’izany antso izany ireo parlemantera. “Raiso ary ny andraikitrareo. Sahia mijoro miaro ny vahoaka tsy ankanavaka sy miaro ny tanindrazana iombonana, araka ny fahefana nomen’ny Lalàmpanorenana anareo, […]
Taratra
Fahazavana
Olana iray manahirana ny vahoaka malagasy ankehitriny ny mahakasika ny resaka jiro. Mbola mitohy indray ny resaka delestazy. Maro ny toerana na heverina ho stratejika aza no mahita faisana anatin’ny fahatapahana. Iaraha-mahalala ny toe-javamisy mahatonga izany. Tsy miankina amin-draolombelona intsony ny valifatin’ny natiora. Na izany na tsy izany, anatin’ny […]
Depiote Rakotoniaina Pety : “Tsy vahaolana ny fidinana an-dalambe”
Nitondra ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny depiote Rakotoniaina Pety. Anisan’izany ny nitsikerany ny eo anivon’ny fanoherana. “Tsy afa-kijery fotsiny hoe sahirana isika izao dia mitondra amina vahaolana hoe andao hidina an-dalambe, ohatra, na andao alaina ny fitondrana. Tsy vahaolana amin’izay ilaina izao izany sady tsy vahaolana maharitra”. Io ny fanehoan-kevitry […]
TSELATRA
Miaramila iray naratra mafy tra-doza teny amin’ny RN4 tao Andakana, kaominina Anosiala, omaly. Nentin’ny tsara sitrapo teny anivon’ny sampana vonjy aina ao amin’ ny CHU Anosiala izy manaraka fitsaboana. Naratra mafy ny faritry ny vavany sy ny lohany. Nidoboka am-ponja omaly, ilay raibe nanolana an-jafikeliny tao amin’ny distrikan’i Fandriana. Nanamparany […]
Antehiroka: Lehilahy hita faty tao anaty dobo filomanosana
Namoy ny ainy tao anatin’ny dobo filomanosana anatin’ny tokotanin’ny olon-tsotra ny lehilahy iray tao Antanetibe, kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo, ny 27 janoary teo. Nahatazana olona nihaodihaody tao amin’ ny tanànany ny tompon-trano ny alin’io andro io, tamin’ny 7 ora sy 40 minitra. Tsy nanao akanjo, nivezivezy teo amin’ny faritry ny […]