Tsy afa-misaraka ny fikarohana sy ny teknolojia niomerika. Manohana ny fahombiazan’ny mpianatra ny fanjakana, amin’ny alalan’ny fampitaovana ny Oniversite. Nisitraka fampitaovana avy amin’ny minisiteran’ ny Haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny Oniversiten’i Maninday-Toliara, nandritra ny fandalovan’ny minisitra Andriamampiadana Mahefa tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Tsy tanteraka ny hetsika diabe am-pilaminana nokasain’ny Gen Z teny Ambohijatovo sy ny Kianjan’ny 13 mey, ny asabotsy teo. Anton’izany ny fisian’ireo ampahan’olona tonga nijapy ny hetsika, raha ny fanazavana. Na izany aza, nanamafy ny fitakiana sy ny famoahana ireo tanora mbola voatazona any amin’ny mpitandro ny filaminana ny tanora […]
Fiadidiana ny Fanavaozana : “Tsy voamarina ny hoe vahiny mikotrika korontana”
“Hatramin’izao dia tsy mbola nisy fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika manamarina na mandiso an’ireo vaovao ireo”. Io ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Rahajason Harry Laurent, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fielezan’ny vaovao hoe teratany vahiny mikotrika tetika fanakorontanana eto Madagasikara. Vokatry ny […]
Saro-pady !
Fitakiana famatsian-jiro sy rano no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Aiza ho aiza? Misy hatrany ny mampiaka-peo etsy sy eroa ny amin’izany. Misy aza tonga amin’ny fitakiana fandravana andrimpanjakana: Antenimierampirenena, Ccni, HCC. Ho tonga hatraiza? Misy milaza fa mpanao politika no hoe ao ambadika, mampiasa vola… Na izany aza, […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Miasa izahay fa tsy mampanantena”
Nitsidika tao Mahaboboka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, ny filohan’ny Fanavaozana. Nambarany, tamin’izany, fa tsy manao fampanantenana ny fitondrana fa miasa amin’ny fanampiana ny mponina any an-toerana. “Manan-karena ianareo eto, saingy tsy voakarakara”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nitsidika tao Mahaboboka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, […]




