Taolana sisa! Maty tsy nisy namantarana azy intsony ny raim-pianakaviana iray may niaraka tamin’ny tranony ao amin’ny fokontany Ambatomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, ny 4 desambra teo. May ny trano fonenany tamin’io fotoana io saingy tsy nisy nahatsikaritra izany ny fianakaviany. Naharay tatitra rahateo momba izany ny zandary ka nidina haingana tany […]
Taratra
Nifampitifitra tamin’ny zandary : 15 lahy maty, sefo fokontany ny iray
Maty nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary ny lehilahy 15, tany Maintirano. Voalaza fa mpanara-dia jiolahy nivadika ho mpandroba sy mpanakan-dalana izy ireo. Maty lavon’ny balan’ny zandary tao Antanimena -Antanandava, distrikan’i Maintirano, ny talata 4 desambra teo, ny lehilahy miisa 15. Lehiben’ny fokontany ny iray. Nifampitifitra tamin’ny mpitandro filaminana nandritra ny […]
Muay Thaï- Taona 2025 : 30 mianadahy hitiliana ho ekipa nasionaly
Ho fiatrehana indray ny taom-pikatrohana 2025, ho an’ny taranja Muay Thaï, namoaka lisitra izay hitiliana ny handrafitra ny ekipa nasionaly ny Tale Teknika nasionaly, Razanajatovo Gildas, tamin’ity herinandro ity. Nambaran’ ity Tale Teknika Nasionaly ity fa ireo no vonona hiatrika ny taona 2025, indrindra ny eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Tamin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nandrombaka medaly volamena, Raharvel Jonathan, nandritra ny fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite, tany Budapest, Hongrie. Teo amin’ny 100 m brasse no nifaninanany, izay notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Hotanterahina ny 7 sy 8 desambra izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny “ligue en fête”, karakarain’ny ligin’Analamanga ny taranja basikety. Nisy […]
Cosafa U17 vehivavy : Hifandona ny Barea sy ny ekipan’i Namibie
Hotanterahina anio, manomboka amin’ny 11 ora antoandro ao amin’ny kianja Johannesbourg, Afrika Atsimo ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika taranja baolina kitra, sokajy U17 vehivavy na ny Cosafa. Hifanandrina amin’izany ny Barea de Madagascar sy i Namibie, ho an’ny sokajy “B”. Efa any […]