Taratra

Rugby – XXL Top 12: Hanao famaranana ny Cosfa sy ny Uscar

“ Adin’ny samy boaty !” Ny ekipan’ny Kaominina Antana­na­rivo Renivohitra, Uscar sy ny an’ny miaramila, Cosfa no tafita hiatrika ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”. Raha hiverenana kely ny ma­nasa-dalana rehetra teny Ando­hatapenaka, ny alahady teo. Ny ekipan’ny Cosfa nandavo ny FTM Man­jakaray, tompondaka farany, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nigadona an-tanindrazana, omaly,  ny delegasionina malagasy avy  niatrika ny Nations League Fiba 3X3,  taranja basikety,  natao tany Botswana,  ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa samy laharana faharoa ny Ankoay lahy sy vavy nandritra ity fifaninanana ity, rehefa nahavita ny “step 6”. Medaly alimo roa no azon’ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny […]

Tsipy kanetibe – Mondial Junior: Nanainga omaly ny ekipa malagasy

Nihazo an’i Espagne, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy sokajy “junior”, taranja tsipy kanetibe. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, tanterahina ao amin’ny Kianja Santa Suzana, ny 30 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao, izy ireo. Efatra mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity dia i Anjara sy i Nomena […]

Randrianarisoa Rijamanitra: Hotantaraina an-tsehatra ny 30 taona nandihizany

Homarihina amin’ny seho ny niangalian-dRandrianarisoa Rijamanitra ny taranja dihy,  nandritra ny 30 taona sy 25 taona nitsanganan’ny “Dih’Art Madagascar”. Ny alahady 2 aogositra izao no hanaovana izany, eny amin’ny CCI Ivato. Tsy ho avelan-dRandrianarisoa Rijamanitra handalo fotsiny ny fankalazana ny faha-30 taona nandihizany sy ny fa­ha-25 taona nitsanganan’ny “Dih’Art Madagascar”, sekoly mampianatra mandihy […]

Fikaonandoha : Manohana ny FFKM ara-teknika ny fanjakana

Notanterahina tao Tsiroa­nomandidy ny lanonana fa­metrahana amin’ny fomba ofisialy ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Bon­go­lava. Nanome toromarika ho an’ny rehetra ny minisitra mi­sahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa tohanan’ny minisitera amin’ny lafiny teknika ny FFKM amin’ny hana­tanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny andraikitry ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana, […]