Nidina tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’i Madagasikara izay hanatanterahana ny tetikasa roa lehibe “Vikina sy harea” ny masoivoho amerikanina, Claire Perangelo, nijery ireo tetikasan’ny USAID. Hiompana betsaka amin’ny fahaiza-miatrika sy ny fanjarian-tsakafo ireo tetikasa goavana roa ireo. Hanampy tokantrano marefo maherin’ny 88 000 any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara […]
Taratra
Fijery hafa : Tanora 11 440 hiofana ao Vakinankaratra
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny LTP Antsirabe ny hetsika « Fijery hafa » ho an’ny faritra Vakinankaratra, izay miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Sampam-panofanana marolafy no nahafahan’ireo tanora sy vehivavy miisa 11 440 nisoratra anarana nisafidianana : fanamboarana mofomamy : 1805, fikirakirana hazo : 294, fanamboarana […]
Atrikasa mandritra ny roa andro : Hamafisina ny ady atao amin’ ny pesta eto Madagasikara
Natomboka omaly ary hifarana anio etsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa, mahakasika ny andro hanaovana ny ady amin’ny fiparitahan’ny pesta eto Madagasikara. Mandray anjara ireo mpiantsehatra sy mpiara-miombon’antoka rehetra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana sy ny ady amin’ny aretina pesta. Aretina tena mbola misy eto Madagasikara ny pesta ary ahitana izany […]
Kandidà Harilala Ramanantsoa: Manana tetikasa tena ilain’ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra
Maro ireo vinan’asa kasain’ireo kandidà hotanterahina mandritra ny fe-potoam-piasany amin’ny maha ben’ny Tanàna azy. Misy anefa ny vina fohy ezaka ao anatin’izany noho ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Raha ho an’Antananarivo Renivohitra manokana, laharam-pahamehana ny rano fisotro madio sy ny jiro, izay tena mampijaly ny rehetra ankehitriny. Eo ihany koa ny […]
Fiatrehana fifidianana: mikasa ny hanara-maso biraom- pifidianana 2 455 ny Safidy
“Ho an’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly amin’ity, mikasa ny hanara-maso biraom-pifidianana miisa 2 455 miparitaka amin’ny kaominina 205, mandrakotra ny faritra 23 sy distrika 120 eto Madagasikara ny Safidy”. Hoy ny Safidy, novakin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly. Nosafidina arakaraka ny habetsahan’ny mpifidy ao aminy ireo kamonina ireo. […]