Fitakiana famatsian-jiro sy rano no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Aiza ho aiza? Misy hatrany ny mampiaka-peo etsy sy eroa ny amin’izany. Misy aza tonga amin’ny fitakiana fandravana andrimpanjakana: Antenimierampirenena, Ccni, HCC. Ho tonga hatraiza? Misy milaza fa mpanao politika no hoe ao ambadika, mampiasa vola… Na izany aza, […]
Taratra
Kolonely Randrianirina Michaël : “Miasa izahay fa tsy mampanantena”
Nitsidika tao Mahaboboka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, ny filohan’ny Fanavaozana. Nambarany, tamin’izany, fa tsy manao fampanantenana ny fitondrana fa miasa amin’ny fanampiana ny mponina any an-toerana. “Manan-karena ianareo eto, saingy tsy voakarakara”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nitsidika tao Mahaboboka Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, […]
TSELATRA
Saron’ny polisim-pirenena tetsy Ambatomalaza Alasora, ny 16 avrily 2026 lasa teo, ny tambajotra, ahitana olona efatra, mampiasa sy manararaotra vehivavy hanatanteraka fihetsika mamoafady amin’ny alalan’ny internet. Amidin’izy ireo 50 dolara amin’ny vahiny ny horonantsary iray manodidina ny 20 minitra. Saingy, 10 dolara ihany no raisin’ireo vehivavy isan-kerinandro. Loharanom-baovao avy amin’ny […]
Fanafihana mitam-piadiana: Tovolahy roa tia jerijery voatifitry ny jiolahy
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany amin’ny fokontany Andafiatsimo Ambatolampy, distrikan’ Antsirabe, ny sabotsy hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka fahefany. Notafihin’ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano iray. Nisaron-tava avokoa ireto olon-dratsy tamin’ny fotoana nanatanterahiny ny asa ratsy. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano ireo dahalo. Nanambana basy ny […]
Manakambahiny: Tokantrano iray may, naratra ireo mpivady
Nitrangana haintrano indray tetsy Manakambahiny ny zoma alina, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any. Trano iray, nahitana rihana roa, no may kilan’ny afo tanteraka. Raha ny angom-baovao voaray teny an-toerana, adin’ ny mpivady tamin’ireo mpanofa trano tany amin’ny rihana ambany no niatombohan’ny afo. Nifamono izy mivady […]




