Tohizana ny fampiasana ireo alika mpitsongo dia, hampiasaina ireo fitaovana moderina mampiasa faharanitan-tsaina artifisialy famantarana hosoka, hiara-hiasa akaiky amin’ireo sampana miasa eny amin’ny sisintany ny fadintseranana. Ireo no fepetra apetraky ny fadintseranana malagasy eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina ary ny sisintany, amin’ izao ankatoky ny faran’ny taona izao. Fotoana […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Eo am-panomanana ny fanisana ankapobeny ny ara-pambolena, andiany fahatelo (Statagriel), ny fanjakana. Miahy azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nampiofana ny ekipan’ny Vondrona mpanatanteraka ny fanisana ny FAO. Ahafahana manapa-kevitra ny fananana antontanisa marim-pototra momba ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Natao ny 19 desambra teo ny fampiofanana […]
Base Toliara : Hajaina ny kolontsaina
Misy mponina manana fasana ao amin’ny fari-pitrandrahan’ny Base Toliara any Ranobe. Araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikitra, misy ny fifanarahana natao tamin’ny mponina hamindrana ireo fasana, sady hatao manara-penitra. Nilaza ny mpahay ny maha olombelona (anthropologue), Tsimitamby, fa miisa 38 ny fasana efa nafindra, talohan’ ny desambra 2019, nampihatoana ny […]
Base Toliara: Hajaina ny lalàna sy ny fomban-tany
Fanapahan-kevitry ny fanjakana foibe ny nanokafana indray ny Base Toliara. Manaja ny fomban-tany koa anefa ny orinasa satria zava-dehibe ny soatoavina eny ifotony. Taorian’ny tany Ankilimalinike sy Toliara I, ny kaominina Tsianisiha indray no nampahafantarana ny vahoaka ny fiverenan’ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara, ny 21 desambra 2024 teo. Nilaza ny […]
Haparitaka eto an-dRenivohitra : Roa lahy nahatrarana rongony
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny sabotsy teo, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana rongony. Saron’ny polisy teo Ambohijatovo, ny 18 desambra 2024 tamin’ny 9 ora alina, izy roa lahy ireto, niaraka tamin’ny rongony tanaty gony miisa 24. Nentina tamina fiara 4×4 ireto zava-mahadomelina ireto. Nandritra ny fisafoana […]




