Taratra

Rugby- Tompondakan’i Afrika : Hampiatrano ny fifanin­tsa­nana i Madagasikara

Nanatanteraka valandresaka niarahana tamin’ireo mpanao gazety, ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, omaly, teny amin’ny birao hiasany etsy Andohatapenaka. Nison­gadina tamin’izany ny handraisan’i Madagasikara, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja Rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy. Araka ny nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, zava-dehibe tokoa io fifaninanana io satria natao […]

Tsy fahatomombanana : Haverina ny fifidianana amin’ny kaominina maromaro

Anisan’ny nanamarika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao ny 11 de­sambra teo ny tsy fahatomombana sy ny tsy fanarahan-dalàna na koa ny hosoka. Teo koa ny fanodinkodinana ny voka-pifidianana. Anisan’izany ny tany amin’ny faritanin ‘i Fianarantsoa ka tsy maintsy haverina ny fifidianana amin’ ny kaominina miisa efatra. Eo ny tany amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hananganana toby fivarotan-tsolika ny distrika miisa 38 tsy mbola manana eto amintsika. Hotaterina amin’ny sambo ihany koa ny solika mankany Mahajanga sy Toliara. Nodinihina ny fifanarahana eo amin’ny Jirama sy ny mpamatsy solika amin’ny lafiny famatsiana ny milina. Fomba ahavitan-tena ara-bary ny fanapariahana ny fitaovana mekanika. Hamoraina ny fahazoana masomboly […]

Haban-tseranana : Paikady vaovao ho an’ny 5 taona manaraka

Nankalazaina, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ladoany (JID). Fotoana nanararaotan’ny tale jeneraly, Lainkana Zafivanona Ernest ihany koa, nanazavany ny paikady vaovao hatao ato anatin’ny 5 taona manaraka (2024-2029) miisa 12. Hatao rafi-panjakana lohalaharana ny haban-tseranana. Ham­pia­sai­na ny teknolojia niomerika amin’ny fanaraha-maso ny entana, ka ialana tsikelikely ny fampiasana taratasy. […]