Taratra

Mahamenatra

  Iaraha-mahalala sy miaina ny zava-misy eto Madagasikara, ankehitriny. Manjaka ny ratsy sy ny fifamonoana. Tsy misy andro iray ka mba hanginana sy tsy andrenesana zava-dratsy. Samy mampiaka-peo, milaza azy ho tompon’ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny avokoa izay manao fanambarana. Izay mivoaka na miditra dia milaza fa […]

Fiatrehana ny raharaham-pirenena : Nihaona teny Iavoloha ny filoha telo lahy

Nanatanteraka fihaonana teny Iavoloha, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, sy ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Maromaro ny lohahevitra nodinihina. Manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, niara-nidinika tamin’ny Kly Randrianirina Michaël teny Iavoloha ny filoham-pirenena teo aloha, Ravaloma­nana Marc sy Rajaonari­mampianina Hery. Tsy nisy vaovao […]

Varotra fanafody tsy ara-dalàna: Nidina ifotony ireo tomponandraikitra

Ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, notanterahina nandritra ny tsena Sabotsy, tao Ankadinondry, ny hetsika fanafoanana ny varotra fanafody ankalamanjana. Niara-ni­entana, tamin’izany, ny mpiasan’ny fahasalamana, ny kaominina ary ny Zandari­mariam-pirenena. Taorian’ny fampitandremana nomena ireo mpivarotra voakasika izany, herinandro mialoha, nidina ifotony ireo tomponandraikitra nijery sy nandray fepetra tamin’ireo izay mbola minia […]

Polisim-pirenena : Napetraka ny paikady aha­fahana manakaiky vahoaka

“Tsy mijanona fotsiny ho fitarainana ny paositry ny polisy fa natao ho fototra hanorenana ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny polisy. Sehatra ifampiresahana ahafahana mamantatra mialoha ireo olana miteraka tsy fandriampahalemana izy ireny”, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka. Misokatra ho an’ny rehetra, ho fitorohana sy fitarainana ary fampitam-baovao amin’ny […]

Ateltisma – Mada 2026 : Hifantenana izay hanao JIOI

Nambaran-dRandriamahazo Norolalao, filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny atletisma (FMA) tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Kianja Alarobia, ny zoma lasa teo, fa hotanterahina ny 31 jolay – 2 aogositra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny. Ny 7 – 9 aogositra kosa ny an’ny sokajy rehetra. Hanana ny lanjany lehibe izany satria hifantenana izay […]